Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Masaosao:(saosa) p.t.: Tsy ma-lama fa marokoroko: Masao_ sao ny uatouary raha safoina ? M,h,: Masaisay, maraorao, marokoroko. Ahitsio
Masay:a.: Vady faharoan'ny lehilahy mampirafy: Nam. Pirafy telo indraindray ny lehilahy taloha: ny vady be ny uady masay, ary ny uady, kely? Ahitsio
Mase:(Tsm) a.: Omby tokambolo fotsy handrina, z Mass) maso masd mena, masd tomboloh?, Ahitsio
Masera:(fr. ma soeur) a: Vehivavy manokan-tena ho an' Andriamanitra ka tsy manambady ary tsy mikarama fa mivelona ao anaty fikambanana, misahana fampianarana, fitsaboana; relijiozy vehivavy. Ahitsio
Maseva:a,: Korintsana natao tamin'ny kitapo kely madinika norarina izay natambatra nofehezina ka entina mandihy: mikorintsana aoka izanY izy rehefa manao fihetsehana ny tanna na ny tongotra, (Misy koa aza ahodidina ny andilana tey ny fehikibo). Ahitsio
Masiaka:(siaka) p.t.: Tia mam. pijaly na mahita mijaly, tsy manana fangorahana. 1 Ma-nana tsiro manaikitra, malaholaho: Masiaka ny sakay. ? M,h,: Ratsy fo, lozabe, mangidy, sakay kely rano, fo vato, mahery sata, tsy mifaditrovana, tsy mitondra roa, mamba noana, fon'Itrimo, tsy mamela mivalo, Han-dm. Ahitsio
Masikaty:a.: Lasoa mena mangatrakatraka. Ahitsio
Masikita:a.: Didin-kena lavalava izay atsatsika amin'ny a-fo. ? M. h.: (any anindrana) Soza, safindran. Ahitsio
Masikoro:a.: Zanapoko sakalava andrefana, aty amin'ny aty tany, mifanindrana amin' ny Vezo izay mitoetra amin' ny morontsiraka, mivelona indrindra amin'ny fiompiana sy ny fambolena. Ahitsio
Masilina:na Masilinina a: Karazan-damba sahala amin'ny voaly. Ahitsio
Masiloka:na Masilotra p.t.: Entianilaza zavatra marimarikivy ohatra ny voasary makirana. Ahitsio
Masimasy:p.t.: Tsy rotodrototra, tsy mba miraidraika, midarondarona, Mimasimasy, fimasimasy, mpimasimasy / imasimasiana, fimasimasiana. Ahitsio
Masina:(hasina) Mahomby, mandaitra, mahasitrana: Masina io fanafody io raha atao ody poizina, 1 Voa. tokana ho an'Andriamanitra, ampiasaina amin'ny fanompoam-pivavahana, mikasika ny fivavahana: Ny otely masina. / Ny soratra marina, / Olo-masina, ? Mendrllca hohajaina, tsy azo zimbazimbaina, manan-jina: Masina ny tanindrazana, a F,-p,: Ny masina: teny enti-manaja nY mpanjaka niamboho (maty). / Masi-mandidy: afaka mizaka amin'ny fananany. / Masim-baua: ilazana ny olona izay to sy tanteraka hatrany ny zavatra lazain'ny vavany. J Masim.ba_ uaka na masin.kataka: tanteraka ny fivavahana sy ny hataka ataony. / Masim.posaina: enti-milaza ny olona tonga amin'ilay fotoana iresahana azy indrindra. ? M. h,: Saro-posaina, / Masintanana: ilazana ireo mahasitrana ny aretina raha vao mikasika fotsiny ny tanany, Ohab.: Mpisikidy tsy masina an-taniny: enti-milaza nY olona tsy lnoan'ny ao an-tanana misy azy na dia mahay aza (toy izany koa ny hoe: mpaminany tsy masina antaniny). Ahitsio
Masinandro:a,: Zavamaniry fanao fanafody. Ahitsio
Masinankorona:a: Zavamaniry fanao tambavy. Ahitsio
Masinaty:p.t.: Misy fofona miverina avy any arnin'ny vavony, toy ny maimbo rezatra. Ahitsio
Masinina:(fr, machine) a.: Fia-sana voavoatra hanaovan-javatra izay mandeha ho azy (mitovitovy amin'ny milin, saingy matetika ny masinina fitambaran'ny milina maso). ? Milina fanjairana na fanoratan, ? Kalesin-dalamby: Amin'ny enina sy sasany ma_ raina no miainga ny mariai-na mankany Toamasina. Ahitsio
Masinjany:a.: Zavamaniry fanao fanafody hotsohotso. Ahitsio
Masinkateloana:a.: Ody tsy mahavoa raha tsy afaka hateloana. Ahitsio
Masira:p, t,: Vasobasobolo, matromatroka (fiteny amin' ny volom-borona), Ahitsio