Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Masirasira:(sira) p.t.: Misimtsy sira kely, masimasina. ? h.o.: Tsy dia mazoto firy, tsy manotraka firy, matimaty amin'ny fivavahana. Ahitsio
Masiso:(siso) p.t.: Ratsy fofona, maimbo, enti-milaza indrindra ny sakafo ela nitoerana ka misy fofona ary toa marikivy. ? M,h,: Jar. Maimbo. Ahitsio
Masitombo:a.: Anaran'ahitra. Ahitsio
Masitremo:(angl. Mark time) a.: Fibaikoana miaramila tsy hampikatroka ny tongotra rehefa mamindra. Ahitsio
Maso:a.: Fitaovan'ny vatana mijery, ny fijerena: Sarobidy ny maso fa raha :samba tsy mahita ny hasoan'ny zavaboary. ? h.o.: Ny votoatinjavatra, ny fotopototry ny zavatra iray: Miteny fahantram ianao; ooakasikao in. drindra ny mason'ny faha_ uoazantsika, 1 Fikezahana filofosana manao zavatra (ft. niavian'ny hoe mimaso, imasoana, fimasoana). 1 tif: Masoina, voamaso / mimaso, fimaso, mpimaso / imasoana, fimasoana / mahamaso / masomaso. ~ F.-p,: Baholy maso: bebe maso mahafinaritra. / Be maso: mana-maso makadiry. ? h,i.: Ilazana ny rary tsihy na ny sobika izay vaventy ny mason-drary fa tsy mihaika tsara. J Malemy maso: malefa-pijery. / Masom.boauahiny: ny tena izy amin'ny resaka fa tsy afinafenina. / Masom-boanjony: ny tena zanaka nateraka fa tsy ny zafikely na vinanto. / Masom.by, masom-bola, masom-barahina: enti-milaza vy na volafotsy na varahina vita boribory ohatra ny peratra. / Ma. som-boly: jar. Masomboly. I Mason'andro anio: ny andro itenenana, enti-milaza indrindra fa manomboka amin' io fotoana / Mason'antitra: toemaso na fahitana efa mihena noho ny halehiben' ny tanna, / Mason'antsy: ny ilany maranitra mandidy aamin'ny antsy (mifanohitra amin'ny antsetra). / Maso n. dandy: volo kely hita eo ambony lohan'ny bibin-dandy. / Mason.drano: ny lalan'ny rano. ? h.o.: Ny lahimatoa tokony handimby ny ray. / Mason.drary: ireo efitrefitra kely madinika amin'ny tsihy. / Mason-jokiny der, mason'antitra). / Mason'ony: ny lalan'ny ony, / Masontantely: ireo lavaka kely maromaro amin'ny tranon-tantely. / Mason-tsokina: entimilaza ny fananana kelin'ny tena ka ampiasaina amin'izay tokony ho vitany. / Ny masony: ny tena ventin-javatra, ny maha-izy azy. / Maty maso: entina hilazana ny voan-javamaniry nambolena ka tsy naniry fa maty. 1 h. o,: Lany tamingana. / V?lo_ maso: ilazana olona manampandimby afaka hanohy ny raharaha nataony na na.. tombonY, / Mamelo-maso: manohy ny taranaka. 1 h,i,: Mandimby olona. / Mangata-maso: tsy sahy miteny fa ny maso no apitrapitra toa mitalaho mafy. / Maso mahita vola: enti-milaza olona voatarika hivarotra na dia mora aza ? noho ny fahltany ny vola efa eny an-tanan' ilay mpividy. I Mihata-maso: enti-milaza zavatra toY ny vato amin'ny rarivato na ny miefitrefitra amin'ny tsihy, izay hita mihataka be na mi. saraka, / Ro be maso: ro be menaka misomidika, / Tsisy maso: ilazana ny olona lokilokin'ny hehy izaitsizy ka hifotrifotra mila tsy ho hita ny masony. / Sakay sy maso: olona mifandrafy izaitsizy, / Maso voa sakay: fay ka tsy te hamerina intsony. * Ohab.: Mason-tsohina ka ny kely ananana no ahiratra (jer. mason.tsokina), / Maso didy halan-tsetroka: enti-milaza ny maso miraikitra no-ho ny aretina ka mangirifi. ry raha vao voan'nY setroka. ? h,o.: Bazana ny mahantra izay sahirana ers> raha vao misy mahazo azy. Ahitsio
Masoa:(Ski) a.: Lakan-tsalopy. Ahitsio
Masoandro:a.: Antontan-javatra goavana mirehitra mihenjy eny amin'ny habakabaka ka fototry ny hazavana sy ny hafanana ety ambonin'ny tany, izay mllrodina manodidina azy: Miposaka avy atsinanana ny masoandro, ? h,i,: Hainandro: Misy masoandro eo ha mikisaha ianao, ? h,o,: Ray (aman-dreny): Ianareo no masoandro amam-bolanay. Ahitsio
Masoarivo:a.: Fitaovana misy loadoaka madinika maro, ampiasaina amin'ny famboaran-tsakafo raha ta hanatsika na hanatantavan. Ahitsio
Masoivoho:a.: Solontenam-pikambanan na fanjakana any an-tany hafa: Rakoto no ma. $oiuohon'ny fihambanam.ba- rotray any Mojanga. ? M,h,: Andrianjahonoany. Ahitsio
Masolavitra:a.: Fitaovam-pijerena natao hahitana mazava ary miavaka tsara ny zavatra lavitra. Ahitsio
Masombika:a.: Anaram-poko anankiray avy tany Mozambika fahiny tafiditra ary tafaharo amin'ny Malagasy eto Madagasikara; Makoa. Ahitsio
Masomboly:a.: Voa na talionjavamaniry fantenana ka tehirizina mba hafafy na hambolena amin'ny fotoam-pambolena manaraka. ? M,h.: Ambloka. Ahitsio
Masomby:a.: Rehefa mety ho vy boribory tahaka ny peratra. Ahitsio
Masonaombelahy:(Ski) a.: Fi. ravaka farantsa kely volamena roa iambozonana miseho hitsin'ny afovoan'ny taolampanavy avy. Ahitsio
Masonkarena:a.: Izay lany rehetra tamin'ny nahazoana sy nanamboarana zavatra iray amidy: Tsy azoko amidy efajato ariary io latabatra Io satria dimanjato ny mason_ karena taminy. Ahitsio
Masonkoditra:a.: Loaka kely madinika dia madinika hita amin'ny hoditra manify ivelany, izay ivoahan'ny hatsembohana (misy mason-koditra hatramin'ny 500 isaky ny lsm tsy mivadimandry). Masontantely a,: Iray amin' ireo kitapo telo miforona ho vavonin'omby, izay ahitana kiloadoaka kely betsaka ka mahatonga ny anarany. Ahitsio
Masovarahina:a,: Varahina boribory kely fanao amin'ny loadoaka idiran'ny fehin-kiraro. Ahitsio
Masovoatoaka:a.: Karazana ha. zandranon-dranomamy, me-na ny masony ary misy mitsipentimpentina ny vatany, Ahitsio
Masy:p.t.: Manan-kasina, manan-jo. Ahitsio
Matahotra:(tahotra) nit, p, (matahora): Mahatsiaro ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray na olona na za. vatra tsy sahy hatonina: Ma. tahotra an.drainy mafy Isam. bilo fa nisy ratsy nataony, ? M,h,: Miraika, raiki-tahotra, tora-kovitra, tsiravina, an-koditra, kenda, ranga, ma. nambadi-po, miraikibolomaso, mikoso-maso, kasoka, taibombona, marna fy ketsa, mangovitra, manahy, manahy velona, mifihifihy, miritra aina, mihararetra, mipararetra, rano andravina, mihoron-koditra, mihoron-kodidoha, mitsangam-bolo, mihendratra, manangambovo. na, mimalo, miholy, mivadika ambavafo, midobodoboka ambavafo, mangitakitaka, mitaintaina, mihotakotaka, velona ahiahy, mitebiteby, mihorohoro, mangorohoro, mihena velona, an-tenda ny aina, tai-dava, mandry tsy lavo loha, mandry an-driran' antsy, mandry an-driran-defona, mandry tsirangaranga. Ahitsio