Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manjokaiky: (jokaiky) p.t.: Mitakoko, manjonitra, manjoretra, manjonetra, Ahitsio
Manjoko: (Joko) mt, p, (manjokoa): Miondrikondrika sy mivokobokoka rehefa mandeha: MamPalahelo ahy io antibauy manjoko lo, Ahitsio
Manjola: (njola) mt, p,: Mijery vilana, mijery sompirana, amin'ny indra-maso, Ahitsio
Manjoloka: (joloka) mt, p, (manjoloha): Mampiditra, manatsofoka: Nahita olona nanjoloka kesika roa tao a. natin'io lava-bato io aho, Ahitsio
Manjombona: (Jombona) p.t.: Maloka fa rakotry ny rahona ny habakabaka: Manjombona ny andro, 1 Malahelo endrika, oriory tarehy sy maloka: Manjombon-dava no ahitako an'io Rangahy lo, 1 Mampiseho ahiahy: Manjombona ny endriny, 1 Maizimaizina, tsy mazava: Hazauao fa manjombona ny heultrao, Ahitsio
Manjonetra: (jonetra) p. t.: Manjonitra. Ahitsio
Manjongy: (Jongy) mt, s. (manjongia): Manisy zaitra amin' ny sisin-damba. Ahitsio
Manjonitra: (jonitra) p.t.: Mampiseho endrika malahelo ary malai-mihetsika; mitakoko toa marary noho ny alahelo: Lasa reniny ka manJonitra Ikoto, Ahitsio
Manjono: (jono) mt, p, (manjonoa): Maka hazandrano amin'ny fintana: Nanjono trondro gain' izahay tamin' ny aeabotsy hariva ka nahazo eran'ny harona. 1 Maka trondro na hazandrano, na amin' ny fomba ahoana na amin' ny fomba ahoana: Nanjono amalona izahay fa tsy nahazo, 1 Maka na mitarika olona amin'ny fomba kinga sy saro-toherina, manangoly, manojikojy: Nanjono ahy hiditra ao amin'ny antoko misy azy Rabe fa tsy nahomby, Ahitsio
Manjony: (Jony) mt, p, (man-Jonia): Mandositra mangingina ny olona iasan na ny ha-van, Ahitsio
Manjopelaka: Manjopelana, Ahitsio
Manjopiaka: (jopelaka, jopeiana, jopiaka) (hazavana) Mamiratra mamono maso mila tsy ho azo jerèna: Manjopelaka ireo vakana ireo, 1 (maso) Jambena: Manjopiaka ny maso raha müery masoandro. Ahitsio
Manjopiaka: P.t.: Mani elatra miserana: Mba fotsy manioplaka lt9 rahona avy ity! Ahitsio
Manjozorobe: p.t.: Enti-milaza ny vary efa mby am-bentinY ny salohiny, Ahitsio
Manka: Tovona fanaovana matoanteny izay mety hanan. kevitra efatra:1) eo alohan' ny fototeny sasantsasany: "mahatonga ho" (oh. Mankahia) ; 2) eo alohan'ny fototeny sasantsasany: "mano. me" (oh. Mankahery); 3) eo alohan'ny fototeny sasantsasany: "manao ho" (oh. Mankamamy); 4) eo alohan'ny mpamaritra matoanteny manondro toerana sy nY mpampikamban "amy": "mande-ha ho..." (oh. Mankeroa, mankamy), Ahitsio
Mankafy: (fy) mt. p, (mankafiza): Mandre tsiro amin-kafaliana: Mankafy vatomamy ny ankizy, Tia, mandre hafinaretana: Mankafy torimaso Io Rangahy io. ¶ M.h.: Mankamamy, Ahitsio
Mankahala: (hala) mt. P. (mankahald): Tsy tia malnty, manao hala volo; manan-kevitra hanisy ratsy: Mankahala an' io mpangalatra io ny mponlna rehetra, / Hitako fa mankahala ny zanako Lanao, 1 Tsy tia, tay mahazoazo: Man. kahala ny ady ny olona tia fandriampahalemana, Ahitsio
Mankahatra: (hatra) mt, P, (mankahara): Mitsapa, manandrana:Nankahatra nitaingina soavaly omby aho fa tsy nahay. / Mitono tena, manao vy very ny amy,,.: Nankahatra ny fahaualo izy ka saiky maty, 1 Mihalka, mihatsy: Aza mankahatra ny hatezeran-drainao fa maratra eo fanas). Ahitsio
Mankahery: (hery) mt.p. (mankahereza): Manome tanjaka ara-tsaina sy am-panahy indrindra: Mankahery ny fanahy ny fivavahana. / Tsy nitsahatra nankahery ny uadiny narary Lay, 1 Mamporisika: Mankahery anay amin' ny ataonay lzao fanatrehanao fzao, Ahitsio
Mankahia: Mampahia (hia) mt. s,: Mahatonga ho mahia: Mankahia ny fieritreretana be loatra. / Mampahia tena izy, Ahitsio