Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mankaiza: (aiza) mt, s.: Mande-ha ho aiza?: Nankafza ny zokinao? 1 Mihazo aiza: Mankaiza re ity lalana lty e? Ahitsio
Mankalalina: Manalalina (lalina) mt, p.: Mampitombo: Vao mainka nankalalina ny hatezerako ny ualin-teny nataony, / Manitatra: Aza fatra-pankalalina toy izany ny tenin'olona fanas). Ahitsio
Mankalaza: (laza) mt, p, (mankalazà): Manome voninahitra lehibe, midera: Mankalaza ireo mahery fo namoy ny ainy ho azy ny Firenena, 1 Manao amim•pomba be voninahitra: Hankalaza ny fetén'ny Krismasy isika atsy ho atsy. ¶ M.h,: Mandaza, midera, manome voninahitra manome laza, mankasitrajca, ma-naja, mandritika, mihoby, manakora, mitehaka, manondrotra, mananoano, mamandratra, mampakatra, manambony, manangana, manangitrangy, mananampempa, manantoana, manandratsandratra, manandriana, manajohary, mitsoaka, Ahitsio
Mankalemilemy: (lemilemy) mi, p,: Mahatonga halemilemy: Mankalemilemy tzany andro taon y. Ahitsio
Mankaleo: (lao) mt, p.: Mahatonga ho lao, tofoka bobo-ka; mahatola: Mankâleo ny fianarana raha aletra fotsiny ao an-tsaina tsy misy fana. zavana. Ahitsio
Mankaloiloy: (loiloy) mt, p.: Maha te handoa, mahatonga hisalebolebo, Ahitsio
Mankaloza: (loza) mt, p.: Mahatonga ho ratsiratsy kokoa: Vao mainka nankaloza azy ny teny nataoko taminy, / Mahatonga hasiaka, mankasiaka: Aza mankaloza ny alika fa laniny eo fanais. Ahitsio
Mankamamy: (mamy) mt, p, (mankamamia): Manaiky na mandray amin-kafaliana: Mankamamy ny torohevitrao aho. / Tia, miraiki-po amy: Mankamamy ny fiainana eo anivon'ny fianakaviana ny Malagas y, Ahitsio
Mankamasina: (masina) mt. p,: Manaja ho toy ny zavaanasina: Mankamasina ny andro alahady ny Kristlanina 1 Mitsaoka, matoky: Aza mankamasina ny sampy sy ny ody fa mahamenatra, Ahitsio
Mankamy: (amy) mt, s,: Mandeha any amy: Mankamin' ny ra ny sakafo hanintsika, Ahitsio
Mankanavy: (aisy) mt, p,: Mahatonga hanavy. 'Mankandoa (Loa) mt, p,: Mahatonga te handoa (marihina fa zavatra avy any anaty no lazaina amin'izany): Mankandoa izany fofona izany; fa raha avy ety ivelany kosa, "mampandoa" no ampiasaina: Mampandoa ny marary ny mpitsabo raha nihinanjauatra ratsy toY ny poizina izy. Ahitsio
Mankany: (any) mt, s, (manka. nesa): Mandeha any: Lasa nankany an-tsena reninao, Ahitsio
Mankao: (ao) mt, S.: Mandeha ho ao. Ahitsio
Mankarary: (rary) mt, p,: Ma. hatonga tsy ho salama, ma. nome aretina: Nankarary azy ilay voankazo monta nohaniny, 1 Mampalahelo, manindrona: Nankarary azy ny teninao. Ahitsio
Mankarenina: (marenina) mt, P.: Enti-milaza feo mafy dia mafy ka mahatonga ho marenima: Asalvo mangina izany ankizy izany fa mankarenintsofina, Ahitsio
Mankaroa: (aroa) mt, s,: Man. deha ho aroa, Ahitsio
Mankary': (ara) mt, s,: Mande-ha ho are, Ahitsio
Mankasarotra: (sarotra) mt, p.:Mit ovy amin'ny Manasarotra ihany fa tsy fampiasa firy. Ahitsio
Mankasiaka: (siaka) mt. P. (mankasiaha): Mahatonga hasiaka: Vao mainka mankasiaka ny alika ny fitorotorahanareo azy, ¶ M.h,: Mankaloza. Ahitsio
Mankasitraka: (sitraka) mt. P. (mankasitraha): Mampiseho fahafaham-po noho ny asa vita: Nankasitraka ny zauabitany ny fanfakana, / Maneho fihetseham-po mitory fitiavana sy hafaliana noho ny soa noraisina tamin'olona: Mahaiza mankasitraka raha nandray soa tamin'olona, 1 Mahatsiahy: Mankasitraka ny soa nataonao izahay, Ahitsio