Teny nampidirina farany

Aroky
[admin]
: (roky) mt. fit. (arokio): Entina mamitaka, mametsy, manambaka. Ahitsio
Arokatra
[admin]
: p.mt.: Mitovy hevitra amin'ny aroa fa manondro mafimafy kokoa ary fitenin'ny ankizy: Misy lavajohy arokatra. Ahitsio
Arohy
[admin]
: (rohy) mt. fit. (arohizo): Afatotra, amatorana: Inty ny tady harohy ny on-dry. ? Afehy, amehezana: 0-meo kofehy harohy it? hazo hokapaina Ahitsio
Arofanina
[admin]
: a: Fefy atao tsy dia avo loatra fa nokendrena ho azo iankinana, manaraka ny sisin'ny tohatra na ny lavarangana, mba hiarovana tsy hianjera. Ahitsio
Arodona
[admin]
: (rodona) mt, at (arodony): Asaina mandeha miaraka daholo (omby aman'ondry). / Aingaina miaraka (hira). Ahitsio
Arodaroda
[admin]
: (rodaroda) mt. at. (arodarodao): Avala handanilany foana. Ahitsio
Arodana
[admin]
: (rodana) mt. at (arodano, arodany): Azera atao ambony ambany, akoa, ahotsaka: Narodan'ny tompony ilay trano teto fa hanao uaouao izy. ~ Alaina mors f oana satria be dia be: Arodana fotsiny ny kaki er? Antanetikelimay. Ahitsio
Arodaka
[admin]
: (rodaka) mt, at. (arodahy): Asaina, avala lanina. Ahitsio
Aroborobo
[admin]
: (roborobo) mt. at (aroboroboy): Atao miroborob o, mire dareda tsars. Ahitsio
Aroboka
[admin]
: (roboka) mt. at, (arobohy): Alentika, atsoboka, asoka ao anaty rano: Aroboka ao anaty ratio mangotraka ny lamba ahina ho misy bibikely. ? Ambosina, taomina, tambatambazana hanao zavatra: Naroboky ny sakaizany izy no nahalany ringana ny fananany. Ahitsio
Arobo
[admin]
: (robo) mt. at. (aroboy): Aroboka, fitahina amin'ny teny mamy. Ahitsio
Arobiroby
[admin]
: (robiroby) mt at. (arobirobio): Atao tonga falifaly, atao izay hahafalifaly. Ahitsio
Aroatra
[admin]
: (roatra) mt. at. (aroaty): Avala hisy roatra; avala handroatra. Ahitsio
Aroandroana
[admin]
: (roandroana) mt. at.: Atao tonga miadana, sambatra. Ahitsio
Aroaka
[admin]
: (roaka) mt. fit. (aroahy): Entina mandroaka, manosika andiam-biby avy eo aoriana. Ahitsio
Aroa
[admin]
: p.mt,: Milaza toerana somary lavidavitra izay tsy hita fa takona: Hadio aroa andrefandrefana aroa fa hahita vola ao ianao. Ahitsio
Aro
[admin]
: a: Izay rehetra entina mitandrina tsy ho voa, tsy ho simba: Aron'akanjo. / Tandroka aron'ny uozona / Aro riaka ~ t.t.f•: Arovana, voaro I miaro, fiaxo, mpiaro 1 iarovana, fiaxovana / maharo. - F,-p.: Aro an-dalana: andia-miaramila natao hiaro eny andalana.I Aro riaka: tatatra atao akaikin'ny voly na ny trano mba handehanan' ny rano mikoriana ka voaro amin'izany ilay voly na ilay trano. * ohab.: Ny anaovana aro riaka raha maina andro, tahotra ny ho Iena raha fahauaratra: enti-milaza fahamalinana sy fitsiniovana ny ho avy. Ahitsio
Armonia
[admin]
: (fr. harmonium) a: Zavamaneno misY fitendrena tsindriana amin'ny rantsantanana izay mamoaka feo sa-tria io fitendrena voatsindry io manokatra rindra izay ivoahan'ny rivotra avy amin' ny tafoforana tsindritsindriana amin'ny tongotra. Ahitsio
Arivolahy
[admin]
: a.: Karazana voatavomonta kely misy tenda ary lohany kely indray eo ambonin'io, fanaon'ny Ntaolo fitoera-menaka na fanafody. Ahitsio
Arivoara
[admin]
: (t. tr.) a : Olona mpanarivo, mpanefohefo. Ahitsio