Teny nampidirina farany

Aretse
[admin]
: (Ski)) a.: Mangahazo na ovimanga tsy niaraka nohadina tamin'ny namany fa avala ho amin'ny taona manaraka. Ahitsio
Aretina
[admin]
: a.: Zava-mahazo mampangirifiry ny vatana. - F.-p.: Aretim-bflany: Anarana somary hatsikana ilazana ny hanoanana. / Areti-mifindra: aretina mety ho azon'izay mifanerasera na mifampikasoka amin'ilay marary. / Aretin'ny olona: aretina mamely ny ankabeazan'ny olona. ¶ M.h.: Aretina: rofy, sembana, tohatoha. /Areti-mifindra:aretin'ny olona, po-tany, safo-tany, tsy mampandry angady. * Rarazan'aretina: aretin'andoha, aretin-tenda, aretintratra, aretin'avokavoka, aretim-po, aretin-kozatra, aretin-kibo, aretim-bavafo, aretim-bavony, aretin'aty, aretin-tsinay, aretin-tsofina, areti-maso, aretin-koditra, aretin-tsaina. Ahitsio
Aretidretika
[admin]
: (retidretika) mt. at. (aretidreteho): Asafotofoto. Ahitsio
Aretareta
[admin]
: (retareta) mt, at. (aretaretao): Atao tonga mitavozavoza. Ahitsio
Aretaka
[admin]
: (retaka) mt. at. (aretaho): Atao miretaka, miboretaka, tsy mahajoro: Naretaky ny taon sy ny orana ilay tafo. Ahitsio
Aresaresa
[admin]
: (resaresa) mt. at. (aresaresao): Atao mirefarefa, mitaritarika. Ahitsio
Arerarera
[admin]
: (rererera) mt, at. (arerarerao): Arefarefa, abarera: Voan'ny hala ilay vorona ka nampalahelo ny nijery azy fa narerarerany ny elany. Aza arerarera ity lambanao. Ahitsio
Arepoka
[admin]
: (repoka) mt, at. (arepohy): Atao mipiapiaka, mikepokepoka. Ahitsio
Arepirepy
[admin]
: (repirepy) mt. at. (arepirepeo): Avembena, arondrona. • Aapanapana: Arepirepin'ny fahoriana izy na mitotototo atsy, mitotototo aroa. Ahitsio
Areparepa
[admin]
: (reparepa) mt. atr (areparepao): Arefarefa atao mitaritarika. Ahitsio
Arenty
[admin]
: (renty) mt, fit. (arenteo): Entina manaingo; aravaka. Ahitsio
Arenoka
[admin]
: (renoka) mt, at.: A-tao tonga renoka, variana, sondriana. Ahitsio
Arenireny
[admin]
: (renireny) mt, at (arenireneo): Asaina na avala mandeha atsy sy ary, avezivezy, avoivoy: Aza arenireny ny alikanao rahalina fa lasan' ny mpisambotra alika. Ahitsio
Arenina
[admin]
: (arina) mt. at, (are-no): Ajoro: Areno tsara io andry io fa mitongilana. ? A-tao mitovy tantana, marintampona: Narenina aloha ny tany vao naorina ny trano. • Asaina mipetraka mitombina tsara: Areno ny marary fa hisakafo. Ahitsio
Arendrirendry
[admin]
: (rendrirendry) mt. at. (arendrirendreo): A-tao tonga jemby, jambena. Ahitsio
Arendrika
[admin]
: (rendrika) mt. at. (arendreho): Alatsaka ao anaty rano mba ho difotra: A-leo narendrika ilay sambo sa-tria entana halatra no tao anatiny. ? Empoina: Arendrika ny halimo hanaovana lakolosy. • Atao mitovy tantana: Tokony harendrika ity tokotany ity. • Taomina, vokisana hikomy: 01ona tsotra daholo no narendriny hikomy. Ahitsio
Arendrena
[admin]
: (rendrena) mt. at. (arendreno): Asaina mande-ha etsy sy eroa, avezivezy, avoivoy. Ahitsio
Arendrarendra
[admin]
: (rendrarendra) mt. at, (arendrarendrao): A-sehoseho amim-pireharehana. Ahitsio
Aremarema
[admin]
: (remarema) mt. at. (aremaremao): (akanjo malalaka) Entina mianjaika. Ahitsio
Arehoka
[admin]
: (rehoka) mt. at, (arehofy): Aloa ka atsipy amin' ny tany: Nikohaka izy dia ra velona izao no narehony. Ahitsio