Teny nampidirina farany

Antsointsoina
[admin]
: a.: Karazan-iavamaniry fanao ody ratra (E-milia citrina), Ahitsio
Antsoina
[admin]
: na Antsovina (antso) mt ih. (antsoy na antsouy): Asaina tonga na manatona amin'ny alalan'ny feo na hofa lamba na fihetsika: Nantsoin-dRakoto ny zanany fa tsy namaly. ~ Ehina, vorina: Nantsoina ny fokonolona hihaino kabary. ~ Asiana, orne-na anarana: Rakoto, izay antaoina koa hoe Rainizafy. ~ Ampanalaina: Nantsoina ny dokotera fa mafy ny aretina. ~ Fidina, tendrena: Nantsoin'ny Filohan'ny Nosy izy hiandraikitra ny fitantanana ny vola. Ahitsio
Antsoharaina
[admin]
: (antsohara) mt. ih. (antsoharao): Hosorana rano mba ho mafimafy kokoa (ny vilany vaovao). 1 h. o.: Fotopotorana na hamafisina tsara: Isika izao: uelona iray trano, maty iray fasana; fihauanana tsy misy hoantsoharaina ny antsika (kabary am-panambadiana), Ahitsio
Antsohara
[admin]
: a.: Fanosorana ranon-javatra mba hahamafy ny vilany tany vaovao. - t.i.f.: Antsoharaina f manantsohara, fanantsohara, mpanantsohara, anantsoharana, fanantsoharana. Ahitsio
Antsodina
[admin]
: na Antsody a.: jar. Sodina, Ahitsio
Antsody
[admin]
: a.: Fanodinana ny kofehy na ny landy amin'ny ampela na ny volotara; famolesana ny akoran-dandy ho tonga kofehy. - t.i.f.: antsodina, voantsody / manantsody, fanantsody mpanantsody j anantsodiana, fanantsodiana. Ahitsio
Antsobo
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. ~ lefona. Ahitsio
Antsoantso
[admin]
: t.v.r.; a.: Fitenenana mafy, fivazavazana. - t.i.f.: antsoantsoina / miantsoantso, fiantsoantso, mpiantsoantso ) iantsoantsoana, fiantsoantsoana. Ahitsio
Antsoalany
[admin]
: p.mt.: Vita tomombana tsara daholo (teny ampiasaina indrindra amin' ny filazana ny fombafomba rehetra tsy maintsy atao amin'ny fandevenana). Ahitsio
Antso
[admin]
: a.: Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin'ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy. - t.i.f.: Antsoina, voantso ! miantso, fiantso, mpiantso f iantsoana, fiantsoana. a F.-p.: Antso valala: antso avo ren'ny vahoaka betsaka ¶ M.h.: aika avo; / mamaly antso: mamaly raha misy miantso ¶ M.h.: manoina. Ahitsio
Antsivy
[admin]
: a.: Anaran'ny fanorona misy tsipika sivy fipetraham-bato ny lavany, ary dimy ny sakany. Ahitsio
Antsiva
[admin]
: a.: Anjombona vita amin'ny akorandriakandranomasina, fampiasan'ny any amorontsiraka indrindra mba hamory fokonolona. Manana anjara lehibe eo amin'ny fia* ahan-javamaneno koa ny antsiva amin'ny foko sasany: sambatry ny Antambahoaka, antsan-tromba, baheza... Ahitsio
Antsitrika
[admin]
: (sitrika), a.: Fomba filomanosana milentika any anaty rano sady misosa ao ka raha tsy elaela tsy mitranga er? lavidavitra. Ahitsio
An-tsitrapo
[admin]
: p.mt.: Amim-panahy iniana, tsy terena na vozonana: Samy hafa be ny mamono olona an-tsitrapo sy ny mamono olona tsy nahy. Ahitsio
Antsipika
[admin]
: a.: Karazan'antsy izay misy lelany mety mipika ka misisika ao anaty tahony efa voavoatra ho amin'izany. Ahitsio
Antsio
[admin]
: a.: Anaran-kafa omena ny angely. Ahitsio
Antsinkena
[admin]
: a.: Antsy fandidian'ny mpivaro-kena hena. Ahitsio
Antsindahy
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. Ahitsio
Antsimpanafody
[admin]
: a.: Antsy kely fandidian'ny dokotera marary. Ahitsio
Antsimbilona
[admin]
: a.: Antsy lehibe fanapahana vilona. Ahitsio