Teny nampidirina farany

Atody
[admin]
: a.: Zavatra misy tsirin' aina alatsaky ny vavy amin' Ahitsio
Atoby
[admin]
: (toby) mt, at. (atobio): Asaina milasy: Atobio eto ny miaramila, ~ Angonina, vorina: Natoby teo an-tokotany ny remby azo. Ahitsio
Atobatoba
[admin]
: (tobatoba) mt. at. (atobatobao): Atao mitobaka, mitipy ka tafahoatra. Ahitsio
Atobaka
[admin]
: (tobaka) mt. at. (atobah y): Atsipy hibosasaka; ampidinina na arotsaka be dia be: Tandremo sao atobakao at? iny rano maloto iny. Ahitsio
Atoavina
[admin]
: (atoa) mt. ih. (atoavy): Hiraina, deraina (filaza amin'ny mpanjaka na ny sampy deraina amin'ny fanasinana azy). Ahitsio
Atoa
[admin]
: a.: Antsa na hira miaraka amin'ny lamako, fanindrahindrana sy fanasohasoana ny mpanjaka, na fanao amin' ny fanandratana ny sampy taloha. 6 t.f.f.: Atoavina / manatoa, fanatoa, mpanatoa / anatoavana, fanatoavana, Ahitsio
Ato
[admin]
: Tt.: Enti.-milaza fiatoana. - t.i.f,: Atoina, aato / miato, fiato, mpiato / iatoana, fiatoana / mahato / miatoato. Ahitsio
Ato
[admin]
: p. mt.: Milaza toerana misy ny tena: Mafana ato antrano noho ny any ivelany. a f,-p,: Ato ho ato: Enti-manondro toerana voafaritra: Ato ho ato no misy ilay Peratro very. ~ Enti-manondro fotoana tsy lavitra loatra ne-fa akaiky kokoa noho ny atsy ho atsy: Mikasa hanao rindran-kira ry zareo ato ho ato. Ahitsio
Atmosfera
[admin]
: (fr, atmosphère) a.: Rivotra sy gazy manodidina ny tany. Ahitsio
Atitra
[admin]
: a.: Fanolorana na fitondrana zavatra any amin'olona. - t.i.f.: Aterana, aterina, voatitra / manatitra, fanatitra, mpanatitra / anaterana, fanaterana / mahatitra / miatitra. ? F,-p,: Ati-dranomaso: fiakarana any androva mba hitomany ny mpanjaka vao niamboho, / Ati-kira: fitetezana vohitra ombieny ombieny mba hfhira. / Ati-pako: (jer. ity). Ahitsio
Atitatika
[admin]
: a.: Ffreharehana amin'ny fihetsika, amin'ny fipetraka. Ahitsio
Ati-pako
[admin]
: a.: Fomba fampamerenana mangingina amin'ny tompony ny vola na zavatra madinfdinfka hafa izay nangalarin'olona na sendra voarainy tsy nahy, ka toy izao no fanaovana izany: raha misy zavatra very, dia nangatahin'ny fokonolona ny o10-na rehetra hitondra anentampako kely avy ka namporisihina izay naira ilay zavatra hanisika azy ao anatin'ny anentam-pako entiny. Ahitsio
Atily
[admin]
: (tily) mt. fit. (atilio): Entina mitily, mitsikilo, manao andry maso. Ahitsio
Atikitra
[admin]
: p. mt.: Enti-milaza toerana misy ny tena toy ny ai-S,, saingy somary fitenin' ny ankizy: Maf ana be atikitra izany. ~ Fanoroana lalana na toerana eo am-pitarihandalana ny olona miaraka amin'ny tena: Atikitra no misy azy, tompoko. Ahitsio
Atikatika
[admin]
: a: Fianjonanjonana kely somary miavona. i t.i.f,: Miatikatika. Ahitsio
Atifitra
[admin]
: (tifitra) mt. fit. (atifiro): Entina mitifitra: BasindRakoto no natifiny an'ilay lambo? Ahitsio
Atifika
[admin]
: (tifika) mt. at. (atifiho): Apitika. Ahitsio
Atifaka
[admin]
: (tifaka) mt, at. (atifa-120 ho): Atao izay hahatapaka a-_ zy. Ahitsio
Atidoha
[admin]
: a: Foiben'ny nerva ao anatin'ny karandohan'ny olombelona sy ny biby lehibebe, itoeran'ny herin'ny saina, ny sitrapo ary ny fandrenesana rehetra. Ny atidoha dia tenan-javatra malemilemy toa mihonankonana mivalombalona ka tanteraka hatrany anatiny ny soritsoritra aminy: fotsy ny ivelany ary vasobasoka ny ao anatiny; betro. - F,-p.: Mivadika atidoha: lasa adala. / Atidohan-kena: ny atidohan'ny omby. Ahitsio
Atiaty
[admin]
: a.: Bontsinan-kibo voky. i t. t, f.: Miatiaty, fiatiaty ) iatiatiana, fiatiatiana. Ahitsio