Teny nampidirina farany

Aspirà
[admin]
: (fr. aspirant) a.: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Solietnà izay amboniny sy ny Adjidà-Sefo ambaniny, mitovy laharana amin'ny Aspirà ihany koa amin'ny tafika an-dranomasina ambanin'ny Enseigne de vaisseau kilasy faharoa sy ny Maftre voalohany (j'en Grady). Ahitsio
Asovoka
[admin]
: (sovoka) mt. at. (asovohy): Alefa mba hamely tampoka: Miaramila roapolo no nasovoka hamely ny tobin'ny fahavalo. Ahitsio
Asotitika
[admin]
: (sotitika) mt. fit. (asotitiho): Entina manasotitika, mandoto. Ahitsio
Asosotra
[admin]
: (sosotra) mt. fit, (asosory): Entina hahasosotra. Ahitsio
Asosososo
[admin]
: (sosososo) mt. at. (asosososoy): Aroso aminkasahiana tsy am-pihambahambana. Ahitsio
Asosona
[admin]
: (sosona) mt at. (asosony): Atao sosona. Ahitsio
Asosa
[admin]
: (sosa) mt. at. (asosao na asosay): Aroso mikorisa mi-lamina tsara: Nasosa moramora ny lakana. Ahitsio
Asorotanitsisatry
[admin]
: a.: Anarana iantsoana koa ny kamboty. Ahitsio
Asorotany
[admin]
: a: Anaran'ny vola-na fahefatra amin'ny filaharan'ny volana malagasy merina, aorian'ny Adizaoza ary alohan'ny Alahasaty, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin'ny zoron-trano atsimo atsinanana. • Fanandr.: Vavany: raha tsy maty kely dia tratra antitra, o-mena olon-kafa havana fa andro mahery, tsy tezain-dray aman-dreny; vontony: tratra =titra; vodiny: tsara, manan-karena, raha tsy maty kely dia tratra antitra. Ahitsio
Asorona
[admin]
: (sorona) mt, fit.: Entina misorona. Ahitsio
Asoroka
[admin]
: (soroka) nit, fit. (asorohy): Entina misoroka, manao izay tsy hahavoazana. Ahitsio
Asoritra
[admin]
: (soritra) rnt. fit. (asorito): Entina manoritra, manamarika amin'ny soritra na tsipika. Ahitsio
Asoravavy
[admin]
: a: Laharan-tsikidy fahefatra amin'ny sikidy alanana. Ahitsio
Asoratra
[admin]
: (soratra) mt. fit. (asoraty) : Entina manoratra. Ahitsio
Asoralahy
[admin]
: a: Laharan-tsikidy fahatelo amin'ny sikidy alanana. Ahitsio
Asononbka
[admin]
: (sononoka) mt, at. (asononohy): Atao mandeha misosa milamina tsara: Asononohy ny lakana fa tony ny andro ka tsy manonja ny rano. Ahitsio
Asongona
[admin]
: (songona) mt. at. (asongony): Omena amboniny amin'ny omena ny hafa: Roapolo monta ve no asongonao ny karamako amin'ny an-dRakoto nefa nanan-tombo telo andro ny andro niasako. Ahitsio
Asongadina
[admin]
: (songadina) mt. at. (asongadino): Avahana tsara; avongady, aboridana. Ahitsio
Asonga
[admin]
: (songa) mt. fit. (asongao): Entina manonga, manainga hiseho: Zauatra toy ny antsy maranitra kely no nasongany ny vauafery. Ahitsio
Asonenika
[admin]
: (sonenika) mt, at. ASO (asoneneho): Atao misonenika, asosa milamina tsara. Ahitsio