Teny nampidirina farany

Asondrovaka
[admin]
: (sondrovaka) mt, at. (asondrovaho): Alentika na ampidirina na atsofoka tsy mahitsy tsara fa mivilana. Ahitsio
Asondrotra
[admin]
: (sondrotra) mt. at. (asondroty): Atao ho avoavo kokoa: Asondroty io sary io fa iva loatra/ Asondroty ny feo. ~ Akarina, ampiana tovona; tovonana: Hasondrotray ny tranonay amin'ny taona ho avy. ~ Atao amin' ny toerana ambonimbony kokoa, omena voninahitra: Nasondrotry ny fanjakana izy fa nahavita be tamin'ny firenena. Ahitsio
Asondretaka
[admin]
: (sondretaka) mt, at. (asondretaho): Asaina mipetraka miboretaka. Ahitsio
Asonasona
[admin]
: (sonasona) rait. at. (asonasonao): (vavorona) A-tao misokasoka be. Ahitsio
Asonanina
[admin]
: (sonanina) mt. at.: Asaina mipetraka mihaminkamina ary mianjonanjona. Ahitsio
Asonanaka
[admin]
: (sonanaka) mt, at.: Apetraka misonanina tsara. Ahitsio
Asompirana
[admin]
: (sompirana) mt, at, (asompirano): Atao mivilana, atao misompirana: Aza asompirana ny tohatra sao mianjera aho. Ahitsio
Asominda
[admin]
: (sominda) mt, fit. (asomindao): Enti-milaza izay entina manominda, na mandidy ny tendan'omby. Ahitsio
Asombola
[admin]
: a: Anaran'ny vola-na fahenina amin'ny volana malagasy marina, aorian'ny Alahasaty ary alohan'ny Adimizana, ka ny toerana nome-na azy fahiny ao an-trano dia amin'ny lafin-drindrina atsimo ilany andrefana. ~ Fana.: Vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mahazo vola; raha vehivavy, mpanao taozavatra, mpila harena; vodiny: tsara, hanan-karena, mpila vola. Ahitsio
Asombina
[admin]
: (sombina) mt. fit. (asombino): Entina manombina, maka ilany kely. Ahitsio
Asolotika
[admin]
: (solotika) mt. at. (asolotiho): Atao misolotika, maloto: Nahoana no asolotika toy izao ny tarehin'i Koto? Ahitsio
Asolontsolona
[admin]
: (solontsolona) mt. qt.: Asosososo amin-kasahiana tsy misy tahotra. Ahitsio
Asoloky
[admin]
: (soloky) mt. fit. (asolokio): Entina manoloky, mamitaka, manambaka. Ahitsio
Asolo
[admin]
: (solo) mt, cit. (asoloy): Atao solo: It? antsipika ity asolo ilay anao verin'ny zanako. Ahitsio
Asolika
[admin]
: (solika) mt, fit.: Entina manisy solika. Ahitsio
Asolelaka
[admin]
: (solelaka) mt. at. (asolelaho): Atao misokatra be ny vavany, tsy asiana miafina ny ao anatiny. Ahitsio
Asolatra
[admin]
: (solatra) mt, fit, (ma-taro): Entina manolatra, mandidy atao didy misolila, misompirana. Ahitsio
Asolanga
[admin]
: (solanga) mt. at. (asolangao): Atao milavo any aoriana: Aza asolanga ohatra izao ny volonao fa efa lehibe rahateo ny handrinao. Ahitsio
Asolanandrana
[admin]
: (solanandrana) mt, at, (asolanandrano): Enti-milaza ny loha lan.jalan• jaina. Ahitsio
Asolampy
[admin]
: (solampy) mt, at. (asolampio): Atao kisolosolo, manary rano. Ahitsio