Teny nampidirina farany

Arasa
[admin]
: (rasa) mt, fit. (arasao): Entina mandrasa, mandidy na mitetika (hena...): It? ve ny antsy narasanao ny hena tao? Ahitsio
Araraka
[admin]
: (raraka) mt. at. (araraho): Alatsaka, akorotsaka, aely, ariana: Nararany teo antokonana ny rano tao an-tsinibe. ~ h.o,: Aza araraka an-tany ny anatra omen'i Dada sy Neny, Ahitsio
Arara
[admin]
: a.: Laingalainga somary atao vazivazy mampihomehy hanambakana na hifetsena. ΒΆ M.h.: Hatsikana. Ahitsio
Araparapa
[admin]
: (raparapa) mt. at. (araparapao): Asaina mamindra na mandeha tsy mahita izay hodiavina fa mitsapatsapa: Naraparapan'ny haizina aho ka voapoka ny lohako, voadona ny soroko. 1 A-sains mizotra fotsiny amimpahamaikana tsy mihevitra izay hQ vokatr'izany: Araparapan'ny fahoriana Ramatoa ir? ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ahitsio
Arapaka
[admin]
: (rapaka) mt, at. (arapaho): Hanina avy hatrany dia any am-bava: Tsy tratra, narapak'ilay alika ilay vaingan-kena be. ? Raisina tsy an-kanavaka: Anisan'ny nahavoa ny firenena tanora raha natobaky ny firenena zokiny teo aminy ireo zava-mahaliana nandraviravezany azy, dia izy tsy nifidy harapaka. Ahitsio
Araotra
[admin]
: (raotra) mt. fit. (araoty): Entina miraotra, miraoka ahitra, na manongotra, manorotra. Ahitsio
Araoka
[admin]
: (raoka) mt, fit. (araofy): Entina mandraoka, manangona: Ity harona ity araoka ireo tsaramaso raraka ireo. Ahitsio
Arantiranty
[admin]
: (rantirantY) mt. at. (arantirantio): Aseho ho hita tsara, miharihary. 1 A-tao amin'ny toerana avo ho hita tsara tsy misy miafina. Ahitsio
Aranirany
[admin]
: (ranirany) mt. at. (araniranio): Aseho ho hita tsara. Ahitsio
Aranina
[admin]
: (arana) mt. ih. (ara-no): Atao izay sitra-pony sy izay tiany: Aranin'ny ray aman-dreniny loatra io zaza io ka ho simba rahatrizay. Ahitsio
Arangotra
[admin]
: (rangotra) mt, fit. (arangoty): Entina mandrangotra, mandratra na manakiaka amin'ny hoho. Ahitsio
Arangoaika
[admin]
: (Tan) a: Karazankazo madinidinika famonoana bibikely, toy ny parasy, moka, sns...(Mundulea grandidieri). Ahitsio
Arangitra
[admin]
: (rangitra) mt. fit. (arangito): Entina mandrangitra, mandranitra. Ahitsio
Aranga
[admin]
: (ranga) mt, at. (arangao): Aingaina, ampakarina ambony (tanana, sofina, maso, fiadiana....): Basy atifikavana ka arangaranga ihany (ohab.). Ahitsio
Arandrana
[admin]
: (randrana) mt, fit. (arandrano): Entina mandrandrana na manamboatra ny volo toy ny vita rary. Ahitsio
Aranana
[admin]
: na Aranina (arana) mt ih. (arano): Enti-milaza olona avala ho afa-po na afadiana amin'izay tiany, avala hanao izay sitrapony: Aza aranina toy izao ny zanakao. Ahitsio
Arana
[admin]
: ft,: milaza fanaovana izay tiana, i t. i f : Aranina, aranana, voarana ) manarana, fanarana, mpanarana ( anaranana, fanaranana f miarana, fiarana, mpiarana 1 iaranana, fiaranana. Ahitsio
Arampandrotra
[admin]
: a Zavamaniry ampiasaina ho fanalefahana sy fampitoniana ny maharary. (Cynodon dactylon). Ahitsio
Arambo
[admin]
: (rambo) mt. at. (aramboy): Izay atao tovana mirefarefa na somotraviaviny: Inona no harambo ity akanjolava it?? Ahitsio
Arakotra
[admin]
: (rakotra) mt. fit (arakofy): Entina mandrakotra: Bodofotsy roa arakotra azy fa manavy mihararetra izy. Ahitsio