Teny nampidirina farany

Aty
[admin]
: a: Ilazana toerana iray izay voafaritra ny manodidina azy: Madio ny atin'ity trano it? na dia maloto aza ny ivelany. - t.i.f.: Anaty. - F,-p,: Atim-bary: enti-milaza ny vary voatoto madio tsara. / Atin'andriana: ny taranak'andriana mahazo manjaka. ( Atin-damba: ny latin' ny lamba manolotra ny tena rehefa tafina; ny iforetan'ny sisiny. / Atin-kavana: ny havana akaiky. / Atin-kazo: ny fo sy votoatin'ny hazo. Ahitsio
Aty'
[admin]
: p. mt.: Milaza toerana misy ny tena, fa malaladalaka kosa mitahy amin'ny Ato: Mahafinaritra ahy ny mipetraka at? ambanivohitra Ahitsio
Aty
[admin]
: a.: Ny lehibe indrindra amin'ny glandy ao amin'ny tenan'ny olombelona, ao aamin'ny kibo, amin'ny hava-nana, miteraka ny antsoina hoe ranon'afero izay ilaina amin'ny fanovana ny sakafo ho mahavelona. • F,-p,: Tsinay homana aty: enti-milaza olona mamely ny havana akaiky, ny iray tam-po, ny ankohonana irai-sana. J Atin-kena: ny atin'ny omby, kisoa na ondry vonoina hohanina. Ahitsio
Ateza
[admin]
: (teza) mt. at (atezao): Atsatoka mahitsy tsara. Ahitsio
Atevika
[admin]
: (tevika) mt. fit. (ateveho): Entina manevika: Tsilo no nateuiny ny sofiko. Ahitsio
Atevy
[admin]
: (tevy) mt, fit. (ateveo): Entina mitevy, mikapa sy mandoro ala. Ahitsio
Atevateva
[admin]
: (tevateva) mt, fit, (atevatevazo): Entina manevateva, manao tsinontsinona, maniratsira. Ahitsio
Atetika
[admin]
: (tetika) mt. fit. (ateteho): Entina mitetika, mandidy ho tapatapany fohy hatrany: It? ny antsy natetiko ny mangahazo. Aty Ahitsio
Atety
[admin]
: (tety) mt. at. (atetezo): Aleha tomandavana, tetezina. • Tanisaina. Ahitsio
Atete
[admin]
: (tete) mt. at. (atetevo): Aidina atao mitsitaitaika: Ateteuo indimy it? fanafody it?. Ahitsio
Aterina
[admin]
: (atitra) mt, ih, (atero): Entina: Naterina tany amin' ny hopitaly ilay marary, • A-verina amin'ny nakana azy: Atero ny sininay nindraminareo. Ahitsio
Atery
[admin]
: (tery) mt, fit. (atereo): Entina manery, mamoritra, na mitery omby, Ahitsio
Aterana
[admin]
: (atitra) mt, pdr,: Entimilaza ny olona omena na itondrana zavatra, fa ilay zavatra omena kosa na entina atao hoe "aterina": Nateranay akoho mifahy ry dadabe tamin'ny fety. (Akoho mifahy no naterinay ho an-dry dadabe tamin'ny fety), * Fiten.: Aza ny ateran-kira indray no milaza tsy mahay: enti-milaza ny olona ilam-pihavanana, ampisehoana faniriam-pisakaizana, nefa izy indray no tsy manotraka firy. Ahitsio
Atentina
[admin]
: (tentina) mt, fit. (atenteno): Entina mandoko; ahosotra: Tanirauo atentina fotsiny izany fa tsy ny tena zavatra akory. • Entina manentsina ny loaka: Mividiana savoka hatentina io siny mi-tete io. • Entina manala baraka, mandoto: Zavatra tsy nataoko akory no natentina ahy! Ahitsio
Ateny
[admin]
: (teny) mt. at,: Lazaina, ambara: Tsy nahita hateny ny anao lahy nony niditra tampoka aho. Ahitsio
Atendry
[admin]
: (tendry) mt. fit. (atendreo): Ilazana ny rantsantanana enti-mitendry zavamaneno. Ahitsio
Atemitra
[admin]
: (temitra) mt at. (atemero): Atao temitra; atao fefy andravahana: Taratasy henjana misy sarim-boninkazo mahafinaritra no natemitro ny efitranoko. Ahitsio
Atelina
[admin]
: (telina) mt, at, (atelemo na atelomy): Agorodana na avarina any an-tends: A-telomy haingana iny pilina iny fa mangidy. Ahitsio
Atehina
[admin]
: (tehina) mt, fit. (ateheno): Ampiasaina atao tehina: It? hazo it? atehina rehefa mandeha ianao, Ahitsio
Atehika
[admin]
: (tehika) mt, at. (atehefo: Atao mitehika, mikasika kely, misafo: Ny tanany no natehiny tamin'ny faritra maharary amin'ny soroko. • Apaka, atao mikasika: Tokony hatehika hatrery amin' ny tafontrano ny tohatra Ahitsio