Teny nampidirina farany

Asarandrana
[admin]
: (sarandrana) mt fit. (asarandrano): Atao sarandrana na salaka; asalaka. Ahitsio
Asaramanitra
[admin]
: a: Teny ilazana ny fandroana malagasy. Ahitsio
Asaraka
[admin]
: (saraka) mt. at. (asaraho): Atao misaraka. Ahitsio
Asara
[admin]
: (Ski.) a: Tonon-taona fahavaratra. Ahitsio
Asara
[admin]
: (sara) mt, at (asarao): Enti-milaza ny vola na zavatra omena ho saran-javatra, ho hofany: Kely loatra ity vola asaranao ny lakana ity. Ahitsio
Asaoka
[admin]
: (saoka) mt. at. (asaohy): Atao saoka, atao fanampy (tapa-damba anampy amin'ny didy akanjo): Soga voantondro telo no nasaoka ilay lohaka fa tery loatra. Ahitsio
Asantatra
[admin]
: (santatra) mt. at. (asantaro): Enti-milaza izay a-tao santatra: Fiaraha-miala hetaheta no nasantatra ny fiaraha-miasa. Ahitsio
Asangongo
[admin]
: (sangongo) mt. at. (asangongoa): Avosa, angonina. Ahitsio
Asangodina
[admin]
: (sangodina) mt. at (asangodino): Ahodina: A-sangodina amin'ny ampela ny kofehy. Ahitsio
Asangerina
[admin]
: (sangerina) mt. at (asangereno): Alefa dia averina. Ahitsio
Asangazona
[admin]
: (sangazona) mt, at. (asangazony): Asaina manasangazona, mihazona. Ahitsio
Asangasanga
[admin]
: (sangasanga) mt. at. (asangasangao): (zavatra) Izay aseho avy lavitra ny lohany na ny tendrony: Asa asangasanga eo amin'ny varauarankely eo ny lohan-jaza. Ahitsio
Asandratra
[admin]
: (sandratra) mt. ut. (asandrato): Asondrotra, apetraka ho eo amin'ny toerana ambonimbony kokoa: Tokony hasandratra ny jiro fa iva loatra ~ Omena voninahitra, ampakarina voninahitra: Mendrika ny hasandratra io lehilahy io fa nahavita be tamin'ny tanindrazana / Asandratr' Andriamanitra izay manetry tenu. ~ Atao ho, atsangana ho: Hasandratra ho olo-masina ny zanaky ny nosintsika iray. Ahitsio
Asandrahaka
[admin]
: (sandrahaka) mt. at. (asandrahafo): Avela hirantsandrantsana, hisampantsampana. ~ Avela hivelatra fa tsy hifintina: Aza asandrahaka ohatra izao io fehezamboninkazo io, Ahitsio
Asandoka
[admin]
: (sandoka) mt. fit. (asandohy): Entina misandoka. Ahitsio
Asanda
[admin]
: (sanda) mt, at (asandao): Atao sanda, enti-milaza izay omena ho fanampy raha mifanakalo zavatra tsy mitovy vidy: Inona àry no hasandanao raha hatakaloko an'ity kiraro vao it? iny satrokao efa nanaovana iny? Ahitsio
Asanasana
[admin]
: (sanasana) mt at. (asanasanao): Atao misokatra be, atanatana: Asanasanao ny vauanao. Ahitsio
Asanàka
[admin]
: (sanaka) mt. at. (asanaho): (vava) Sokafana mitanatana: Nasanakany ny vavany ka nidiran'ny tantra. Ahitsio
Asampotina
[admin]
: (sampotina) mt at. (asampoteno): Asafotofoto, asaritaka, asangodina atambolina: Nasampotin'ny rano mitety namana ilay botry. Ahitsio
Asampona
[admin]
: (sampona) mt. fit. (asampony): Entina manampontsampotsana, manakana: Zavatra tsy nampoizina no nasampon'ny lahatra ny fikasany. Ahitsio