Teny nampidirina farany

Ankatoavina
[admin]
: (to), mt. ih. (ankatoavy): Ekena, ankasitrahana, sitraka: Ankatoauinao ve ny heuitra naposako? Ahitsio
Ankasomparana
[admin]
: a. (fer.: Ankaso). Ahitsio
Ankasoavana
[admin]
: a: Zava-tsoa mahafaly tonga amin'ny fianakaviana: Mety raha falifaly sy rauorauo rehefa mamangy amin'ny ankasoauana ? Ankasoavana p, mt.: Tia mifamangy an-kasoauana sY ankaratsiana ny Malagas y. Ahitsio
Ankaso
[admin]
: a.: Fanaovana izay hahavoa ny sasany na izay hahasimba ny ataony na ny fananany: Aoka tsy hifanao ankaso. ¶ M.h.: hetraketraka, filambanony, sotasota, hasomparana. Avy amin'it? farany it? indrindra no niavian'ny hoe ankaso: an-kasomparana, an-kaso, ankaso. - Fahavoazana mihatra amin'ny tena noho ny afitsoky ny fiainana: Loza ny ankason'ny tany. Ahitsio
Ankasiahina
[admin]
: (siaka, masiaka), mt. ih. (ankasiaho): Atao izay hampahasiaka na hampahalozabe azy: Aza ankasiahinareo eo io alika io, ranki zy a! Ahitsio
Ankasarotina
[admin]
: (sarotra) mt. ih. Atao izay hahasarotra azy, a-tao tonga sarotra. Ahitsio
Ankasarotana
[admin]
: (sarotra), a.: Faritra eo ambanin'ny kibomalemy misy ny fananahana amin'ny tenan'ny olombelona: Anisan'ny maharary raha misy voadona eo amin'ny ankasarotana. Ahitsio
Ankasa
[admin]
: p.t.: Azo zaraina roa: Ny isa roa ambin'ny folo dia isa ankasa. / Rehefa tonga ny fotoana fompakarana, dia miainga Ralehilahy sy ny lehilahy vitsivitsy na maro, isa tsy ankasa, izay atao hoe ny mpaka. Ahitsio
Ankaromiafina
[admin]
: a,: Enti-milaza zavatra tsy tiana ho fantatr' olona, afenina mafy; tsiambaratelo: Tsy tratra namosaka ny ankaromiafiny izy raha uao nahare izany teny izany. Ahitsio
Ankaratsiana
[admin]
: a.: Zava-manjo (aretina, fahafatesana) midona amin'ny fianakaviana: Mifamangy ny Malagasy amin' ny ankaratsiana ? An-karatsiana p. m t.: Tsy tokony hanary ny hauana an-karatsiana Ahitsio
Ankararina
[admin]
: (rary), mt. ih. (ankarario): Atao izay tsy hahasalama, omena aretina; orne-na alahelo. Ahitsio
An-karanany
[admin]
: (any anaty haranany) p. mt.: Tsy mbola niseho masoandro, tsy mbola teraka: Maty an-karanany ny fikasany. Ahitsio
Ankapobe
[admin]
: An-kapobe na Ankapobeny, An-kapobeny a.: Ny tontaliny, ny ankamaroany: Amin'ny ankapobeny mahay mihira ny MalagasY. ~ p. mt.: Amin'ny ankamaroany, amin'ny ankabetsahanY: Noteneniny an-kapobe fotsiny ny mpianatra, fa tsy nanondro an-dRakoto na Ranaiuo manokana akory izy. Ahitsio
An-kapetrahana
[admin]
: p, mt.: An-kalamanjana. Ahitsio
Ankanonona
[admin]
: a.: Mitovy amin' ny Ampanonona. Ahitsio
An-kanifisana
[admin]
: p. mt.: Kely raha ny hatevenany no jerena. • H. o,: Kely: An-kanifisana ny tombony azoko tamin' io raharaha io, Ahitsio
Ankandrefanina
[admin]
: (and refana), mt. ih. (ankandrefano): Ampandehanina mankany andref ana. Ahitsio
An-kamehana
[admin]
: p. mt.: Amin' ny fomba maimaika tsy voaomana tsara: An-kamehana ny nandraisanareo ny solontenako ka tsy faly aho. ? Batemy an-kamehana: Batemy tsorina dia tsorina, tsy asiana ny fombafomba rehetra, noho ny hamehana fa marary ny zaza na atahorana ho tsy azo. Ahitsio
Ankambivitra
[admin]
: jar.: Ambivitra. Ahitsio
Ankamaroany
[admin]
: (Ny) a.(jer. Ny ahkabeazany), Ahitsio