Teny nampidirina farany

Anjely
[admin]
: a. (Fiu. Kat.): Zavaboary fanahy fotsiny izay nataon'Andriamanitra ho mpanome voninahitra azy ary ho mpanelanelana aminy sy ny olombelona; ny antokony iray amin'izy ireo, izay atao hoe anjeiy mpiambina dia asain'Andriamanitra miaro sy miambina ny olombelona tsirairay avy. (Misy sokajiny sivy ny zavaboary fanahy fotsiny ihany ka ny anjely no ambaratonga farany ambany indrindra; indreto avy ireo sokajiny sivy ireo: ny Serafima, ny Kerobina, ny Fiketrahana, ny Fanapahana, ny Hatsaram-panahy, ny Hery, ny Fifehezana, ny Arakanjely, ary ny Anjely). Ahitsio
Anjavidy
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry salasalany maniry betsaka eny an-tampon-tanety tsy vonton'ny erika ary fanao kitay tsara firehitra mipoapoaka. Ahitsio
Anjombona
[admin]
: a.: Zavamaneno tsofina vita amin'ny tandrok' omby na tandrok'omby nampiana volotsangana; ampiasaina toy ny anjomara ihany koa ny anjombona saingy tsy mba mahalasa lavitra loatra ny feony, hany ka atao ho an'ny olona eo antanàna ihany. na ny anjara louako tamin'i dada sy neny. 1 Zavatra (soa na ratsy) heverina ho avy amin'Andriamanitra ka samy manana ny azy ny olombelona rehetra: Mahaiza mionona fa izao no anjara. / Izao no anjara ka zakao. (Ny anjara sy ny vintana dia sahalahala ihany satria samy milaza zavatra — soa na ratsy —mihatra amin'ny tena, saingy ny anjara, filaza indrindra amin' ny zavatra lehibe: loza, fahafatesana, fanambadiana ... ary heverina ho avy amin'Andriamanitra indrindra, fa ny vintana kosa dia filaza amin' ny zavatra madinidinika: Io-ka, antsapaka ... ary heverina ho avy amin'ny kisendrasendra na ny tonon'andro). Ahitsio
Anjara
[admin]
: a.: Ampahany amin'ny zavatra anankiray nozarazaraina ho an'olona marc,: Tsy hamidiko na oviana na oviaangorodao Ahitsio
Anjananjana
[admin]
: a.: Hazo lehibe mahatratra 12-15 m ny haavony ary 0,30-0,50 m ny savaivony; fanaovan-trano no-ho izy mafy sady maharitra (Leptolaena multiflora). ¶ M.h.: amaninaombilahy, sarifatra. Ahitsio
Anjananjana
[admin]
: a.: Zavamaniry fantatra indrindra amin'ny anarany vazaha hoe quatre épingles, ampiasaina ho fisakanana ny fahamafisan'ny aty rindrin'ny aritera (Cassia alata). Ahitsio
Anjana
[admin]
: na Anjananjana a.: Halavana, fijoro. Ahitsio
An-jamba
[admin]
: p.mt.: Tsy am-pieritreretana: Tsy tsara ny manao anjamba fa izany no nantsoin'ny Ntaolo hoe mitsambiki-mikimpy. Ahitsio
Anjama
[admin]
: p.mt.: Am-pivoriambe, am-pilanonana. Ahitsio
Anjala
[admin]
: (t.tr.) o.: Salaka, sadika Ahitsio
Anjakanjaka
[admin]
: a.: Fampiasan-kery na tanjaka: Manao artiakanjaka: Manao an'aina sy andrezatra fotsiny. Ahitsio
Anjaka
[admin]
: a.: Fonjan-javatra lava-lava: Anja-bamhina. 1 Anarana enti-milaza hoditra lavalava atao fehin-kibo na lamboridy na solon-kofehy manodidina ny mima makadiry: Anja-koditra. Ahitsio
Anjaingy
[admin]
: a.: Honkona atao amin'ny loha tehina. 1 Zavatra atao lohany amin'ny kilalao. • Ny antsetran'ny lefona. 1 Kilalao fanaon'ny ankizilahy izay manao antsongoloka mitehina amin'ny tanana. Ahitsio
Anjaika
[admin]
: a.: Fahavoriana lehibe manetriketrika iraratana amin'ny haingo; lanonana. i Li. f.: mianjaika, fianjaika, mpianjaika 1 iarljaikana, fianjaikana. Ahitsio
Anjay
[admin]
: t.p.: Enti-milaza nard-na: Anjay aho tsy niaraka tamin'iny naman-dratsy iny. Ahitsio
Anjafy
[admin]
: a.: Fizaran-tany iray amin'ny Vakinisahasarotra, ao atsinanan'Anativolo, izay heverin'ny maro ho nahazoana ilay fitenenana hoe: Midona ny orana eny Ankaratra; vaky tsipelana ny eny Anjafy. Ahitsio
Anjady
[admin]
: a. ft.: Enti-milaza aram-po, fanaovana ny sitrapo, ny danin'ny kibo. i Li. f.: mianjady, mpianjady, fianjady / ianjadiana, fianjadiana / mahanjady. Ahitsio
Anizety
[admin]
: a.: Zavamaniry azo amotsia-nify (Vepris madagascariensis). Ahitsio
Anivona
[admin]
: a.: Karazan-kazo fanao terilatsy amin'ny rindrin'ny trano hazo. * Ohab.: Ny avonavona toy ny entan'anivona: ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha (maivana ny anivona ka ahazakana be na a-tao anentana lolohavina na lanjaina, saingy manonjanonja kosa ka mahasosotra): tsy mampaninona loatra ny fanambonian-tenan'ny mpiavonavona, fa ny fahitana ny fihetsiny miedinedina no mahaletra. Ahitsio
Anivo
[admin]
: ppk.: Afovoa: Olona eo aniuon'ny fandrosoana tahaka azy ve ka tsy hahalala izany? * F.-p.: any anivo: any afovoan-tany (rnifanohitra amin'ny any antsisin-tany, any antsiraka). Ahitsio