Teny nampidirina farany

Atovevy
[admin]
: (tovevy) mt. at,: A-tongilana. Ahitsio
Atovana
[admin]
: (tovana) mt, at. (atouàno): Atao tovana, atohy: Ny "ina" sy "ana" dia atovana amin'ny fototeny mba hanaouana matoantenin' ny iharana. Ahitsio
Atotôtra
[admin]
: (totdtra) mt. at.: Lefahina (hozatra). Ahitsio
Atototra
[admin]
: (tototra) mt fit. (atotory): Entina manototra, mameno: Ity ranon-tany it? no hatototrao itsy lavaka itsy. Ahitsio
Atotototo
[admin]
: (totototo) mt, at. (atotototoy): Asainamitotototo, asaina mivezivezy etsy sy eroa tsy misy vokany toy inona. Ahitsio
Atotongana
[admin]
: (totongana) mt. at. (atotongàno): Ahilana, ahohoka: Atotongàno ny jaogy. •Ihoarana: Natotongan' ny zandriny ny adala tamin' ny fanadinana Ahitsio
Atosika
[admin]
: (tosika) mt. at, (atoseho): Aronjina mba hivoaka amin'ny faritra iray na hamotraka na handroaka azy: Natosiny aho ka lava. • Roahina tsy ho anisany intsony: Natosiky ny fianakauiana izy. ~ Atolotra ny fitsarana: Tsy maintsy atosiky ny fokonolona ny mpangalatra. Ahitsio
Atosaka
[admin]
: (tosaka) mt. at. na rat. fit. (atosahy): Atobaka, tapahina. / Entina manatobaka, entina manapaka. Ahitsio
Atorovoka
[admin]
: (torovoka) mt. at. (atorovohy): Asaina mitorovoka. Ahitsio
AtOrosy
[admin]
: (torosy) mt, at. (atorosio): Atao mitovy torosY na tantana amin'ny alalan'ny tsipika. 1 mt, fit,: Entina mampitovy torosy. Ahitsio
Atoro
[admin]
: (toro) rat. at, (atoroy): Tondroina: Atoroy ahy ny trano houidinareo izany. ~ Ampahafantarina, lazaina: Atoroy izay tokony hataony izy. Ahitsio
Atorisika
[admin]
: (torisika) mt, at. (atorisiho): Atao izay hiadiany, amporisihina hiady. Ahitsio
Atorevaka
[admin]
: (torevaka) mt, at. (atoreuàho): Avala hitorevaka, hiandry, hidonanaka foana eo. Ahitsio
Atoreo
[admin]
: (toreo) mt, at,: Asaina na avala hitoreo, hanao feo mitaraindraina mampahonena. Ahitsio
Atoraka
[admin]
: (toraka) mt, at. (atorahy): Enti-milaza ny vato na zavatra hala atsipy mba hahavoa: It? ilay vato natorany ahy. Ahitsio
Atopy
[admin]
: (topy) mt. at. (atopazo): Atodika (maso): Atopazo miankandrefana ny masonao fa saha mahafinaritra no ho hitanao. 1 Alefa hiantoraka, atsipy: Lefona no natopiny teny amin'ny fahavalo. Ahitsio
Atopatopa
[admin]
: (topatopa) mt. at. (atopatopao): Ahetsiketsika mankatsy mankaroa, avembenan'ny rano: Natopatopan'ny alon-drano ny lakanay. Ahitsio
Atontosa
[admin]
: (tontosa) mt. fit. (atontosay): Entina manatontosa. Ahitsio
Atontona
[admin]
: (tontona) mt, at. (atontàny): Azera mba hitofoka: Aza atontona io kesika io fa misy zavatra mora vaky ao anatiny. 1 Adona aminjavatra: Atontona amin'ny voto ny lamba sasana. Ahitsio
Atontohitra
[admin]
: (tontohitra) mt, at.: Atao mitohitohy hatrany. Ahitsio