Teny nampidirina farany

Atomboka
[admin]
: (tomboka) mt. at. (atombohy): Atao ny fiandohàny: Atombohy ny asanao. Ahitsio
Atombina
[admin]
: (tombina) rat, at. (atombeno): Apetraka (entimilaza biby na olona ihany): Atombeno eo amin'ny tsihy ny zanakao dia mandehana manao raharaha; fa tsy fiteny, ohatra, ny hoe: Atombeno eo ambony latabatra ny bokinao. 1 Apetraka ma-ka toerana tsara: Natombiny tsara teo amin'ny halana ny sininy dia iny izy nivikiviky nanao kinarinarina. 1 Atao mifototra tsara amin'ny: A-tombeno amin'ny fianarana ny sainao, fa aza avala hiriorio ats? sa ar). Ahitsio
Atolotra
[admin]
: (tolotra) mt, at. (atolory): Aroso omena amin'ny tanana: Atolory azy io boky io. 1 Omena am-pahafoizan tanteraka, ary enti-milaza zavatra tsy hita maso Indrindra: Atolotro anao ny fahefana, / Natolony azy ny fony, Ahitsio
Atolona
[admin]
: (tolona) mt. fit. (atolômy): Entina mitolona. Ahitsio
Atoloko
[admin]
: (toloko) mt at. (atolokoy): Asaina mitoloko, manjonitra mitaraina. Ahitsio
Atolila
[admin]
: (tolila) mt, at (atolilào): Ampandringaina, atao lava sy fohy ny tongony ka mitongilana izy. Ahitsio
Atolatola
[admin]
: (tolatola) mt. at (atolatolao): Ahevingevina, adoladola. Ahitsio
Atolantsika
[admin]
: (tolantsika) mt. at. (atolantsiho): Atao mihantsika. Ahitsio
Atolaka
[admin]
: (tolaka) mt, at. (atolahy): Ahodina: Hay! natolaky ny rivotra fotsiny ny varavarana fa tsy nisy namoha akory. 1 Avily: Mba hatolak' Andriomanitra unie izany loza izany! ~ Afindra, ailika: Aza atolaka aty amiko ny hadisoana nataonao, Ahitsio
Atokona
[admin]
: (tokono) mt. at. (atokony): Atao eo ambony toko mba handrahoina: Matetika ny mahantra no tsy mba manan-katokona akory. Ahitsio
Atoko
[admin]
: (toko) mt. at. (atokoy): Enti-milaza zavatra tsy alefa mitambatra be amin'izao, fa tsinjarazaraina ho antontany kely maromaro: Atokoy ny henanao, /tangahy fa tsy manam-bola hividianana an-kilaony aho. ? Zarazaraina: Atokoy dimy ireto mpianatra ireto. Ahitsio
Atokiky
[admin]
: (tokiky) mt. at. (atokikio): Asaina mitorovoka, mitakoko. Ahitsio
Atokelaka
[admin]
: (tokelaka) mt. at. (atokelaho): Asaina mihomehy. Ahitsio
Atokana
[admin]
: (tokana) mt. at. (atokàny): Atao amin'ny toerana iray mba tsy hifangaroany amin'ny hafa: Atokana ny ,marary hoditra hatraiza hatraiza ~ Tehirizina: Atokako hividianako fanaka ny ampahafolon'ny karamako isambolana. Ahitsio
Atokaka
[admin]
: (tokaka) mt. at. (atokakao): Atao mitolagaga. Ahitsio
Atoka
[admin]
: Atokatoka ft.: Enti-milaza fanondrehana ny loha ho marika fa ekena izay lazain'ny miresaka amin'ny te-na na marika enti-miantso. i Aatoka / miatoka, ffatoka, mpiatoka / fatohana, fiatohana / mahatoka. Ahitsio
Atoina
[admin]
: (ato) mt. ih. (atoy) na Aato der. io teny io),: Atao miato, tapahina, nefa ny A-ato no fampiasa kokoa. Ahitsio
Atoy
[admin]
: p. mt: Milaza toerana: Eto akaiky eto. Ahitsio
Atohoka
[admin]
: (tohoka) mt. at. (atohofy): Atao fefy.l Atao mipetaka, manakaiky tsara ka manjary mitehika mihitsy: Aza atohoka amin'ny voua ny siny fa andeha maka zinga F• Ampidirina, asesika betsaka ao am-patana: Kitay bozaka atohoka amin'ny fatana. Ahitsio
Atohitra
[admin]
: (tohitra) mt. fit. (atohero): Entina manohitra: Moa manana basy aman-tafondro hatohitra ny fahaualo ve ianareo? Ahitsio