Teny nampidirina farany

Any
[admin]
: p.mt.: Enti-milaza fotoana izay fampiasa mba hilazana: Fe-potoana efa lasa amin'ny andro itenenana ka mbetika mikambana amin'ny anarana iarahany izy, mbetika misaraka: Aninaraina, anikeheo, any tontolo andro. 1 Fotoana mbola ho avy, ka eto koa izy mety ho lasa aloha na aorian'ny anarana iarahany: Any andro hahatongavako dokotera. / Taona any. Ahitsio
Any
[admin]
: ft.: Enti-milaza fanantsodiana kofehy anenomana. i Li. f.: anina, voany / manany, fanany, mpanany l ana-Mana, fananiana. Ahitsio
Angifvo
[admin]
: a.: Teny enti-milaza, amin'ny fizika, ny hery miteraka asa, ka misy ny ang?vo ara-pana, ny ang?vo aratsimia, ny angôvon-kalaky, ny an g?von'aratra... Ahitsio
Angovy
[admin]
: a.: Fanaovana na fampanaovana zavatra mafy sy an-tery, izany hoe amin-kery fotsiny izao: Manao angovy. ¶ M.h.: anditra, angidana, ambozizy. Ahitsio
Angovavy
[admin]
: (Tsm) a.: Anabavin-dray. Ahitsio
Angoty
[admin]
: na matetika kokoa Angotingoty a.: Hantahanta atao amin'ny olona mba hitiavany ny tena, fihetsika.éntina manambitamby, haitraitram-pitia aseho amin'ny fihetsika sy fiteny miaingitra: Mahakamo indray ny mijery an'ir? zazavavy be angotingoty. ¶ M.h.: angola, angentsana, hantahanta. - t.i.f.: miangoty, fiangoty, mpiangoty 1 iangotiana, fiangotiana. Ahitsio
Angoronan-damba
[admin]
: a.: Enti-milaza olona mampiahiahy fatratra fa efa fantatra ho mpangalatra ka raha vao mandalo dia tsy tratra ahoron'ny olona ny lambany sao angalariny. Ahitsio
Angorodaovava
[admin]
: a.: Zavamaneno kely misy kilavadavaka maro, izay tsofina amin'ireo kilavadavaka ireo ka mamoaka feo maro efa mifanaraka rahateo hahavitana izay hira tiana. Ahitsio
Angorodao
[admin]
: na Ankorodao a.: Zavamaneno iray tarika amin'ny harmonia, izany hoe tendrena, ka ny rivotra mivoaka amin'ny takela-by mifanao ambaratonga no mamoaka feo, saingy izy azo bataina ka entina mandehandeha: Mitendry angorodao. ¶ M.h.: taralila. Ahitsio
Angoro
[admin]
: na Ankonjo (Tan) a,: Teny ilazana ny fihary ao amin'ny organa maha-lehilahy na maha-lahy, izay tapahina rehefa mamositra akoholahy na ombilahy. Ahitsio
Angonina
[admin]
: (angona), mt. ih. (angony): Vorina, atoby, enti-milaza zavatra maso apetraka amin'ny toerana iray: Angony eo aloha ny vato alohan'ny hihadiana ny fototm. Ahitsio
Angongo
[admin]
: ft.: Enti-milaza fiavovonana sy fitobiana amin' ny toerana iray. - t.i.f.: manangongo, fanangongo, mpanangongo / anangongonana, fanangongonana 1 miangongo, fiangongo, mpiangongo 1 iangongoana, fiangongoana. Ahitsio
Angongo
[admin]
: a.: Voronandrano mitovy amin'ny gisa madinika ny habeny, fahita indrindra amin'ny faritany andrefana sy afovoany. ¶ M.h.: ongongo, kaboka, koboka, rasana. Ahitsio
Angona
[admin]
: ft.: Milaza hevitra fivoriana,fitobiana. - t.i.f.: angonina, voangona, tafangona 1 manangona, fanangona, mpanangona 1 anangonana, fanangonana I miangona, fiangona, mpiangona / iangonana, fiangonana f mahangona. Ahitsio
Angoly
[admin]
: a.: Fandrokidrokiana mba hanambakana, tambitamby mba hametsena. - t.i.f.: angolena 1 manangoly, fanangoly, mpanangolY 1 anangolena,fanangolena. Ahitsio
Angolena
[admin]
: (angoly), mt. ih. (angoleo): Drokidrokina: Nongolen'ny sakaizany izy no nahavitany izany. Ahitsio
Angola
[admin]
: a.: Karazana lalao kanety izay toy izao no filalao azy: tazonina amin'ny ankibe sy fanondro ary fanondroadala amin'ny tanana ha-via ny kanety ary tsipindina amin'ny fanondroadalan'ny tanan-kavanana kosa. Ahitsio
Angolaina
[admin]
: (angola), mt. ih. (angolao): Arahina ny haitraitrany: Haditra io zanakao io fa efa dia angolainao loatra. ~ Enti-milaza hira izay vole-na haingonkaingony miolana kely rehefa mihira azy: Angolainy ny hirany ka ao ny mihomehy, ao ny hontsahontsa. Ahitsio
Angola
[admin]
: Angolangola a.: Hantahanta mahatonga hanao fihetsehana somary mampiraika kely ny loha, fiangotingotiana te ho tiana, angentsangentsana, angotfngoty, haitraitra: Be angolangola loatra iny zanakao iny, Rasoa. 1 Filatron-kira, fomba fihirana asiana toa miolana kely ny feon-kira: Be angola loatra ny fihiranareo ilay hira ka ilo tsy ho fantatra intsony ilay izy. a F,-p.: angola uaitra: hanta-hanta fatratra; / angolan-dahinjiro: ilay fotsifotsy amin' ny lahinjiro avy nirehitra; / ny fotsy angola: ilay fotsifotsy avy nirehitra koa amin' ny sigara. Ahitsio
Angoja
[admin]
: p.mt. (t. tr.): An-katerena. Ahitsio