Teny nampidirina farany

Andriamanjaka
[admin]
: na Andriambe a.: Teny enti-milaza ny mpanjaka, lahy na vavy. Ahitsio
Andriamanitra
[admin]
: a.: Anarana niantsoan'ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin'ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy. ~ Ilay lehibe indrindra amin'ireo hery ireo, izay navahany amin'ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra - Andriananahary, ka voalazany fa: a) tsy maintsy inoana: Manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy; b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona; - d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo f'rjery Andriamanitra ka mahita ny takona; e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin'Andriamanitra ny iray tahitahin'olombelona; f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana; g) Tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy; h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon'ny loha. ~ Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra. tt Ny masoandro, izay lazaina amin'ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano. Ahitsio
Andriamanamora
[admin]
: a.: Zavamaniry anaovana fisotro manamora fiterahana (Calantica sP•). Ahitsio
Andry
[admin]
: mt. ih. ft.: Antenaina ~ ho avy ka miianona eo ihany ny tena ambara-pahatongany: Sakafo tsy andrin'ny maika ny anareo izany, ry Ketaka, ka handeha aho. • a.: Fiambenana, fitandremana: Tsara andry ny ombintsika fa olona mahatoky izy ? Fitiliana: Ataovy andry maso io zazalahy io fa efa tratra naka zavatr'olona. - t.i.f.: andrasana ) miandry, fiandry, mpiandry ) iandrasana, fiandrasana i mahandry, * Ohab.: Andriamanitra tsy andrin'ny sasany, andriko ihany: atao fampiononan-tena amin'ny ratsy ataon'ny sasany ny tena ny famalian' Andriamanitra, na ho ela na ho haingana, noho ny fahamarinany. Ahitsio
Andry
[admin]
: a.: Tohana mDoro vita amin'ny biriky, hazo na vato: Nisy andry telo nifanandrify tao amin'ny tranon'ny Ntaolo. - F,-p,: Mananika andry ma-lama: mametra zavatra sarotra na dia hita aza fa mety hahavoa tena. Ahitsio
Andry
[admin]
: ft.: Enti-milaza fitsorana, fivalamparana eo ambony tany, kidoro; fatoriana amin'ny alina, filamina tsisy tebiteby. - t.i.f.: tafandry i mandry, fandry, mpandry ) andriana, fandriana ( mampandry. Ahitsio
Andrehy
[admin]
: (Tsm) a,: Karazana fanihy kely. Ahitsio
Andrefana
[admin]
: a.: Ny lafin'ny vodilanitra ilentehan'ny masoandro (mifanohitra aminy: atsinanana). / Avaratra andre fana: sisiny iadian'ny lafiny avaratra sy ny lafiny andrefana. / Atsimo andre fana: sisiny iadian'ny lafiny atsimo sy ny lafiny andrefana. - t.i.f.: ankandrefana / miankandrefana, fiankandrefana, mpiankandrefana / iankandrefanana, fiankandrefanana ) andrefandrefana. Ahitsio
Andrefa
[admin]
: p.mt.: (jar.: Anefa). Ahitsio
Andre
[admin]
: t.p.: Tenim-piontanana milaza: Fahatairana: Andre! inona ity ataonao, anaka? 1 Fig4agana: Andre! mahavariana ny mandinika ny habakabaka! ~ Nenina, alahelo: Andre! vorona, hono, izany izaho ka afa-nanidina nankany aminay! Ahitsio
Andravana
[admin]
: a.: Hira, zavamaneno sy dihy atao rehefa misy koranam-piravoravoana ao amin'ny fianakaviana; amin' ny foko sasantsasany, hira sy dihy nataon'ny mpiandry faty taloha mandra-pandevina, i t.i,f.: miandravana, fiandravana, mpiandravana ) iandravanana, fiandravanana. Ahitsio
Andrasana
[admin]
: (andry), mt. ih. (andraso): Tsy ilaozana: Andraso eto aho ambara-piveriko na amin'ny firy na amin' ny firy. ? Antenaina: Ianao no nandrasanay fa tsy Rangahy io. ? Ambenana: Aza matahotra fa efa andrasan'ny polisy ny venta lalana rehetra mety ho nitsoahan'ilay olondratsy. ~ Tandremana tsy handositra na hanimba zavatr'olona: Omby iray monja no andrasan'Ibalita ka tsy hainy sakanana tsy hanimba volin'olona. Ahitsio
Andrarezina
[admin]
: a.: Hazo zokiny indrindra ao an'ala. Lavo ny andrarezina: maty ny olona malaza sY ambony anankiray, Ahitsio
Andrareza
[admin]
: a.: Zavamaniry totoina atao vovoka famotsianify (Trama orientalis), Ahitsio
Andrao
[admin]
: ppt. feh,: Sao, sangoa, mba tsy: Ovao ny akanjonao andrao fantany ianao. Ahitsio
Andranonampinga
[admin]
: (t.tr.) a.: Ny ankohonana, ireo antokon'olona entina, miankina amin'ny tena. Ahitsio
Andranobe
[admin]
: a.: (ao an-trano be): Ny vehivavy lehibe indrindra ao amin'ny fianakaviana; ramatoabe; matetika koa anefa atao hoe andranobe ny vadin'ny lehilahy lehibe mpanankarena na maro ankohonana. Ahitsio
Andrandraina
[admin]
: (andrandra), mt ih.(andrandrao): Atraka ambony: Andrandrao ny lohanao. ~ Takarina amin'ny maso: Andrandrao ny haaoon'ir? tendrombohitra h.o. Antenaina, alehan'ny saina: Ny hanan-taranaka ihany no andrandrain'ny Malagasy. Ahitsio
Andrandra
[admin]
: ft.: Fijerena ambony mampitraka ny loha mba hitazanana ny avo, fikasana sy faniriana hanatratra na ho tonga eo amin'ny toerana iray ambony tadiavina. - t.i.f.: andrandraina, voandrandra / manandrandra, f anandrandra, mpanandrandra / anandrandrana, fanandrandrana / miandrandra, fiandrandra, mpiandrandra ( iandrandrana, fiandrandrana / mahandrandra. Ahitsio
Andranandranina
[admin]
: (andranandrana), mt. ih. (andranandrano): lanjonanjonana. Ahitsio