Teny nampidirina farany

Aniritra
[admin]
: na Anirotrap.t.: Entimilaza fasana atao vonjimaika hametrahana faty ambarapampiditra azy ao amin'ny fasam-pianakaviana, na ny fasan-drazana: Fasana aniritra. * F,-p.: Manao anirotra: miasa am-piezahana fatratra mba hahazoana sitrany ahay, efa mihafy be erp mba hahazoana kely. Ahitsio
Anio
[admin]
: p.mt.: Enti-milaza ny fotoana tsy mbola nodiavina amin'ny andro itenenana: Hitsangantsangana any antsaha izahay anio. (Ny entimilaza ny fotoana efa nodiavina kosa dia androany: Nitsangantsangana tany an-tsaha izahay androany). Ahitsio
Anintafara
[admin]
: (fit-p.) a: Rivotra mitsoka any am oron-tsiraka amin'ny ririnina, avy atsimo mianavaratra na avy atsimo andrefana mianavaratra atsinanana ka mitondra orana; maharitra eo amin'ny hateloana eo ny orana, fa nt' andro ratsy mitohy herinandro; ny anintafara dia amantaran' ny mpanjono ny fiavian'ny zompona Ahitsio
Aninona
[admin]
: (inona) p.mt.: Entimanontany anaran-tanàna: Aninona re, Andriamatoa, iry tanàna atsimo ir,) ? Ahitsio
Anindrana
[admin]
: (jar. Indrana). Ahitsio
Anindambo
[admin]
: (fit-p.) a.: Karazan-drivotra miendrika tadio kely manao faribolana tokony ho efatra metatra ny savaivony, ka rava na simba da holo ny zavatra amin'io faritra io; ataon'ny olona koa hoe aninangatra. Ahitsio
Aninaraina
[admin]
: p.mt.: Anikeheo maraina. Ahitsio
Aninangatra
[admin]
: (fit.-p) a.: Jer. A-nindambo. Ahitsio
Anina
[admin]
: a.: Rivotra mitsoka amin'ny faritra amoron-dranomasina. - F.-p.: anim-balaka: anina avy atsimo; / anim-baratra: anina avy avaratra; / animbalala: rivotra avy andrefana (mazàna mpitondra valala); / animbato: rivotra avy atsimo andrefana. Ahitsio
Anina
[admin]
: ft: Enti-milaza fiatoana, fijanonana fa afa-po; fitsaharana tsy mandroso intsony. i t.i.f.: tafanina / mianina, fianina, mpianina / ianinana, fianinana. Ahitsio
Arimbaratra
[admin]
: (fit-p.) a: Karazan-drivotra mitsoka amin' ny fararano, manambara fiavian'ny oram-be. Ahitsio
Anilany
[admin]
: na Ankilany a.: Ny anankiray amin'ny zavatra na olona roa tonta (mifamaly amin'ny andaniny: Ny anilany, ny ankilany manaiky, ny andaniny anefa mandà.- 1 ppk.: Akaiky: Eo anilan'ny tranonay. Eto ankilanao aho no hipetraka. Ahitsio
Anikeheo
[admin]
: p.mt.: Mpamaritra matoanteny enti-milaza fotoana vao haingana ao anatin'ny andro iresahana ihany: Tonga anikeheo i dadatoanay. Ahitsio
Anika
[admin]
: ft.: Enti-milaza fiakarana, fanaovana izay hahatafakarana amin'ny toerana avo, eny ambony hazo... it t.i.f.: anihina, voanika, tafanika / mananika, fananika, mpananika I ananihana, fananihana I mianika, fianika, mpianika ( ianihana, fianihana / mahanika. Ahitsio
Anihina
[admin]
: (anika), mt. ih. (aniho): Iakarana: Tendrombohitra telo no anihina vao tonga any aminay. Ahitsio
Anifa
[admin]
: (Ski) a.: Vay amin'ny nonon'ny vehivavy vao teraka. Ahitsio
Anie
[admin]
: p.mt.: Entina: milaza firariana, ka amin'izay miaraka amin'ny matoanteny milaza ny ho avy mandrakariva izy: Ho tonga anie ny fanjakanao! 1 Manantitrantitra ny hevitry ny matoanteny na ny mpamaritra eo alohany ka ny heviny amin'izay dia mitovitovy amin'ny hoe tokoa, izany mihitsy: Kapohiko a-nie ianao e. / Tandremo fa maranitra anie io antsy io e. Ahitsio
Aniany
[admin]
: a. ft.: Enti-milaza ny fihalehibeazana noho ny fibontsinana na ny fivontosana. - t.i.f.: Anianiany I mianiany, fianiany. angorodaovava Ahitsio
Aniana
[admin]
: a. Tt.: Filazana am-pahibemaso fa tsY hiova amin' ny teny natao, na koa mari-na izay lazaina. - t.i.f.: mianiana, fianiana, mpianiana / ianianana, fianianana. Ahitsio
Any
[admin]
: p.mt.: Enti-milaza toerana tsy hita maso, azo tovonana t raha enti-milaza ny lasa: Any Toamasina i dadatoa. / Lasa any an'ala izy. / Tany Fianarantsoa aho no teraka. Ireto avy ny fampiasana ha-fa ny any: Raha averina aloha sy aorian'ny teny milaza toerana ny any, dia milaza toerana lavitra dia lavitra tsy bita maso: Lasa nanidina any ambony any ilay fiaramanidina. 1 Indraindray kosa mifanohitra amin'ny at9 ny any: Salama tsara izahay at? fa ianareo any no manao ahoana. 1 Eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona izay andefasan-taratasy: Any Randria, manao ahoana icinareo? Ahitsio