Teny nampidirina farany

Angangaina
[admin]
: (anganga) mt. ih. (angangao): Enti-milaza zavatra aingaina ny ilany; atsinganga, atsidradraka. Ahitsio
Anganga
[admin]
: a.: Fitsingatotra, izany hoe fitsirarana ila. • Fiavonana. t.i.f.: angangaina, voanganga, tafanganga / mananganga, fananganga, mpananganga / anangangana, fanangangana / mianganga, fianganga, mpianganga / iangangana, fiangangana. Ahitsio
Angana
[admin]
: p. t.: -'Volon-doko manga antitra. Ahitsio
Angana
[admin]
: a.: Ny sisa tavela na mijoro. - t.i.f.: miangana, manangana. Ahitsio
Angamerana
[admin]
: na Merana a: A-naran-kazon'ala vaventy, fanaovana sary sokitra, tongo-parafara (Veroni-merana). Ahitsio
An§amerana
[admin]
: a.: Anaram-biby any anaty rano, mafy hoditra. Ahitsio
Angamenavava
[admin]
: a.: Anaran-kafa ilazana ny rameva. Ahitsio
Angamenavava
[admin]
: a.: Bibikely toa misy afo mazava amin'ny alina. Roa karazana izy ireny: ny iray irony hita eny am-pefiloha ka ataon'ny Vahiny hoe Glow worn na kankana misy afo, fa aty amintsika kosa ataon'ny olona hoe Tainkankana; ny iray hafa kosa irony manidintsidina amin'ny alina, izay misy afo mitselatselatra sahala amin' ny jiro avy ao ambany elany (Fire fly). * Fiten.: Samy mitsflo ny alehany toa angamenauaua: enti-milaza fa samy tompon' andraikitra amin'ny fitondrany ny tenany avy ny olona rehetra. Ahitsio
Angambaina
[admin]
: (angamba), mt, ih. (angambao): Tsy lazaina hentitra hoe marina fa atao hoe angamba: Noangambainy ihany ny filaza io uaouao io fa tsy dia nolazainy hoe "marina" ako ry. Ahitsio
Angamba
[admin]
: p.mt.: Mpamaritra matoanteny enti-milaza fisalasalana, izany hoe tsy fahafantarana marina izay hitranga na izay mitranga any lavitra tsy atrehi-maso: Manavy angamba izay i dada. / Ho tratrako ihany angamba ny uoalohany. / Ho vitanao ue it? asa it? rahampitso? An-gamba. Ahitsio
Angaloha
[admin]
: p.mt.: Fitenenana fanaon'ny ankizy, mitovy amin'ny hoe aoka aloha: Andraso angaloha. Ahitsio
Angalisa
[admin]
: a.: Basy anglisy fahizay, izay notsoloana afo no fanapoahana azy. Ahitsio
Angalarina
[admin]
: (halatra), mt, ih. (angalaro): Enti-milaza zavatr'olona alaina tsy andrariny: Nangalarin'i Koto ny kanetinay. Ahitsio
Angàka
[admin]
: a.: Voronandrano mitovitovy amin'ny ganagana fa kelikely kokoa ary mena ny vavany. Ahitsio
Angahaina
[admin]
: (angaha) mt. ih. (angahao): Angambaina. Ahitsio
Angaha
[admin]
: p.mt.: Mpamaritra matoanteny enti-milaza fisalasalana tahaka ny angamba (jer. io) ary entina misolo azy raha manontany: Lasa angaha Rakoto teo? na raha manisikevitra somary maneso: Sasatry ny miaina angaha izato izy no manaonao foana ohatra itsy! Ahitsio
Angadona
[admin]
: (ngadona), mt. fit. (angadony): Entina mitoto, mively. Ahitsio
Angadinomby
[admin]
: a.: Fitaovampiasana tany taritin'omby, misy faritra efatra: 1) lelany roa mifanao ambony sy am-bany ka ny iray mitsangana toa mandidy ny tany, ny fray mitsivalana mamakivaky t ny tany; 2) vy mivohitra mamadika ny tany voavaky; 3) kodiarana iray na roa, ary 4) vy lehibebe lavalava iraiketan'ireo rehetra voalaza eo aloha. Ahitsio
Angady
[admin]
: na Fangady a.: Fitaovana enti-miasa tany, misy lelany vy lavalava maranitra ary zarany hazo, izay mazàna harahara, ka izany no mahatonga ny teny hoe harahara hoenti-milaza koa ny angady. - F.-p.: angady mondro: angady efa ela niasana ka bory kely sisa mijanona. * Ohab.: Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy: zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. / angady be le1a: angady lehibe ny lelany; h.o.: fakana tsy an-drariny, fahihirana maka amin'ny an'olona eo akaikin'ny an'ny tena: Nanao angady be lela tamin'ny taniko Rangahy iny ka tsy hamelako; tsy mampandry fangady: enti-milaza aretimifindra lozantany izay mandripaka ny olona ka vizana foana ny angadY mihady ny fasana. * Ohab.: Mindram-pangady lohataona: maniraka ny tompony hiasa: enti-milaza zavatra izay mampieritreritra ny hafa, mihoatra noho ny fitenenana azy mivantana. Ahitsio
Angade
[admin]
: t.p.: Endrey! tsy menatra (teny fanakoran'ny ankizy ny namany izay manao zavatra mahamenatra). Ahitsio