Teny nampidirina farany

Angoho
[admin]
: a: Trondron-dranomasina mahay milomano aoka izany ary tsara nofo; mety hahatratra lm ny halavany ary 30 kg ny laniany. Ahitsio
Angodona
[admin]
: (ngodona) mt. at. (angodony): Atao mingodona. Ahitsio
Angoby
[admin]
: a.: Ny mahafeno ny eran'ny tanana roa mikombona boribory ka ny ankibe sy ny fanondro anankiroa no mifampikasika. Ahitsio
Angoatenda
[admin]
: a.: Feo avo avy any an-tenda ataon'ny ankizilahy eny an-tsaha —indrindra ny mpiandry omby —rehefa mifampihaiky ady izy; toy izao no fanaony azy: sady dondoniny ny traotraokany no miantso mafy izy ary dia manahaka ny fanenon' ilay sahona kely atao hoe angoaka ny feo ataony amin' izany. Ahitsio
Angoango
[admin]
: a., ft.: Enti-milaza hevitra miavoavo, fitoeranjavatra feno mitafotafo, na zavatra miavovona be. ? h. o.: Aingitraingitra sy haitraitra. - t.i.f.: miangoango, fiangoango, mpiangoango / iangoangoana, fiangoangoana. Ahitsio
Angoaka
[admin]
: a.: Karazan-tsahona madinika manana feo somary mafy manokana izay. Ahitsio
Angoa
[admin]
: ppt, feh.: Sao, fandrao: Aza mihinana ireo uoankazo manta ireo angoa marary eo ianao. ¶ M.h.: sao, fandrao, andrao, sangoa. Ahitsio
Anglisy
[admin]
: i p.t.: Momba an'i Angletera na an'i Angletera na avy any Angletera: Anisan'ny teny sarotra tononina ny teny anglisy na angley. Ahitsio
Anglisy
[admin]
: (angl. English) na An-file)? (fr. Anglais) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Englanda na Angletera: Monge-mahalatsaka izay ny Ahitsio
Anglikanina
[admin]
: (fr. anglican) a.: Antokom-pivavahana kristianina naorin'ny mpanjakan9 Englanda Henri VIII rehefa avy niendaka tamin'ny Eglizy katolika izy; noho izany, dia misy if anahafany amin'ny fivavahana katolika ny fivavahana anglikanina; nefa misy maha-samy hafa azy betsaka koa, toy ny isan' ny sakramenta, izay lazainy fa roa monja: ny batisa sy ny fanasan'ny Tompo; ny fahazoan'ny eveka sy presb'r tara manambady; ny tsy finoany ny fiovan'ny mahamofo sy ny maha-divay amim-pahagagana ho nofo sy ran'i Kristy... Ahitsio
Angivy
[admin]
: a.: Zavamaniry lehibe noho ny anana nefa kely noho ny hazo madinika; mangidingidy mahafinaritra ny voany ka be mpitia andrahoina miaraka amin'ny ro. Ahitsio
Angitrangitra
[admin]
: a.: Avonavona, hakevokevohana, misy rehareha kely sy fiheveran-tena ho zavatra. - t.i.f•: angitrangirana na angitrangitana, tafangitrangitra 1 miangitrangitra, fiangitrangitra, mpiangitrangitra 1 iangitrangitana, fiangitrangitana. Ahitsio
Angitrangirana
[admin]
: (angitrangitra) mt. ih. (angitrangiro): Avala hiangitrangitra, hiangentsana miharo fireharehana; angentsanina. Ahitsio
Angira
[admin]
: a.: Anaran-kazon'ala. ? p. mt.: Lavitra dia lavitra, any an-dakira. Ahitsio
Angilo
[admin]
: a.: Anaran'ny voatabiha ankapobeny. Ahitsio
Angilo
[admin]
: (ngilo), mt. fit. (angiloy): Entina mahangilo, ampiasaina mba hahamainty. Ahitsio
Angidintsakay
[admin]
: a.: Anarana karazan'angidina mena. Ahitsio
Angidinkely
[admin]
: a.v: Karazan'angidina kely manjamanja manopy mainty. Ahitsio
Angidindronono
[admin]
: a.: Karazan' angidina fotsifotsy miPentina mainty. Ahitsio
Angidindrano
[admin]
: a.: Karazan'angidina. Ahitsio