Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mangirana: Mangirangirana (hirana) p. t.: Loaka voahirika, mamela hazavana haninteraka, ? Mamiratra, mangilohilo: Mangirana ery izany hi. raronao izany. ? Mora kokoa, misy hihoriranana, - F.-p,: Tsy mahita mangirana: enti-milaza olona tsy manam-pahalalana na dia bitika kely akory aza, amin' ny zavatra iray. / Mangirana ny andro, mangiran.dratsy: fotoana vao maraina koa ahitana mazava kely eny amin' ny lanitra. / Mangirangirana ny trano: misy hirika na loaka amin'ny rindrina na amin' ny tafontrano. / Misy man. girana kely: misy mazava kely hita, misy hevitra mety ho tsara hita. / Tsy hita mangirana: tsy misy hazavana ma. ninteraka amin'ny hixika, • h.o.: Tsisy hevitra. ) Tsy mahita mangirana: tsy mahay na inona na inona. Ahitsio
Mangirifiry: (hirifiry) p.t.: Manaintaina; mahatonga fanaintainana: Mangirifiry ahy mafy io may io. 1 Voatsaingoka, voatsindrontsindrona: Mangirifiry ny masoko voan' ilay gaza tao. Ahitsio
Mangirigirika: (girigirika) mt. p. (mangirigiriha): Manamarika ny tsy tonga amin'ny teboka kely. Ahitsio
Mangirika: (hirika) tilt p. (man_ girifa): Mandoaka: Nisy jiolahy nangirika ny rindrinay halina. 1 Mitady hahalala, mangaroka: Nanglrika mafy ny resatsika Rasoa fa tsy nilaza na inona na inona aho. ? Maniry mafy ny hahazo, mangataka: Nangirika mafy ity trano ity tokoa, Rakoto, fa tsy namidiko. Ahitsio
Mangitakitaka: (hitakitaka) mt. s. (mangitakitaha): Mipararetra, mihenavelona: Mangitakitaky ny tahotra aho. • Taitra, mivadi-po: Tsy nangitakitaka izy na dia kely ahory axa, nefa teo am-bavan' ny fahafatesana. Ahitsio
Mangitikitika: (hitikitika) mt. p. (mangitikitiha): Mitovy amin'ny hoe manitikitika ihany fa tsy fampiasa afatsy amin'ny hevitra ihany: Misy fanontaniana mangitikitika ny saiko. Ahitsio
Mangitsokitsoka: (hitsokitsoka) p.t.: Enti-milaza lavaka na hady lalina dia lalina ka toa tsy hita lzay farany: Tevana mangitsokitsoka. Ahitsio
Mango: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Mango-: Tovona fanaovana p, t. vitsivitsy toy ny Mangovenavena. Ahitsio
Mangoaka: Mangoakoaka (hoaha) p, t.: Misy loaka, misy lavaka. Ahitsio
Mangobaka: Mangobakobaka (hobaka) p.t.: Malalaka tsy misy zavatra ao anatiriy, Ahitsio
Mangoboka: (goboka) p.t.: He-no ho poaka atY; hoboka aty. - F,-p,: Mangoboka anaty: foana tsy misy zavatra ao anatiny, poaka aty. Ahitsio
Mangoloka: (holoka) Rt.: Foana aty; fetsy ratsy, konjo. Ahitsio
Mangolokoloka: (holokoloka) p.t.: Tana madio dia madio (enti-milaza ny lamba ihanY), Ahitsio
Mangolontsona: Mitovy amin' ny Mangorontsona. Ahitsio
Mangona: (gona) mt,s,: Mandona, mamoka. Ahitsio
Mangonahona: (honahona) p. t.: Be fotaka, mandrevo. Ahitsio
Mangontsina: (hontsina) Mari-koditra, mahatsiaro ny hatsiaka na nY harariana mikaretsadretsaka eran'ny te-na. Ahitsio
Mangopeta: na Mangopetaka (hopetaka) P.t.: Enti-milaza zavatra mipetaka be na mipetaka mihanaka makadiry: Nony sitrana ilay fera dia nisy takopery nangopetaka nanarona azy. / Mangopetaka amin'ny rindrina ny rihi. tra. Ahitsio
Mangoraka: Mangorakoraka (horaka) mt. P. (mangoroha): Malahelo olona ory na mijaly na sahirana mafy ka mitady izay hamonjena azy: Mangoraka ny mahantra io vehivavy to, ¶ M.h,: Antra, malahelo, mitsetra, mana-na tse-po, ngoaina, mangora-po, mitse-po, onena, ongena. Ahitsio