Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mandevona: (levona) mt.p. (mandeubna): Manafongana, manafoana: Mandevona ny zavatra rehetra manodidina ny ipoahany ny baomba atomika. ? Manimba: Aza mandeuona ny zavatr'olona ~ Mandrava, mandringana, mamongatra: Jiolahy no nandevona ny fananany rehetra teto. 1 Mampanjary ho fofona, etona na rano: Mandevona ny rira ny rano. 1 Mampanjary ny sakafo hanina ho za vatra mahavelona ny tena: Ny vavony no mandevona ny sakafo hanin tsika Ahitsio
Mandevy: (levy) p.t: Madiva hangotraka: Rano mandevy. Ahitsio
Mandia: (dia) mt.p. sady mt.s. (mandiava): Manitsaka, mandeha amin'ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin'Antananariuo io olona io mandritra ny dimy taona 1 Mamaldvaky: Mandia taon-tsarotra I-zao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza 1 Mandrefy amin'ny tongotra: Mandia ny lauan'ny trano Rabe. 1 Mihatra: Man-dia ny voalazako omalY fa indro tokoa àry fa misy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana 1 Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao..1 Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny heoitrao! 1 Tanteraka, mifanaraka amin'ny...: Sala-ma daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran'io tanàna io. Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: Manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiv?ky, mijaingljaingy, mijongijongy, mamikavika dia, mamilafila, mamindrafmdra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manao hitsin-dalana, manao torata dy, manao dian'omby jamba, manara-drenirano, mira parapa, mip arap ain go, miva rina an-kady, mifatratra ankady, mianjera an-tevana, manao rebik'ondry, manao raban-tsahona, manao fitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manao findrari-tsokina. Manao dia miverina, manao dia mianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoro-mianotra Manadiva, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, marnakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka. Mivahiny, mody mandry, mitampody, manao tampody fohy, manao lavalina, mandry an-dalana, manorin-day, manorindasy. Mitsaka, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody. Ahitsio
Mandidy: (didy) mt.p. (mandidia). Mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena 1 Manapaka lamba amin'ny hety mba hanaovana akanjo: Iza no nandidy ny akanjonao? 1 Mandrasa nofo na manapaka taova amin'ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao? 1 Mampanao: Mandidy zaua-tsarotra loatra ianao, tompoko. 1 Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin'ny faritany? 1 Mizaka, tompom-pahefana amin'ny fananana: Mandidy ny fananako aho. Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: Manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona. Ahitsio
Mandifika: (difika) mt. p, (mandifiha): Manapitika. Ahitsio
Mandifotra: (difotra) mt.p.: Mihoatra: Mandifotra anao io tamboho io. 1 Mitelina: Dia handifotra ahy ve io lavaka io, io rano io?. - F.-p.: Impito mandifotra olona: lalina dia lalina, tsy taka-polopolorina, Ahitsio
Mandify: (dify) mt.p. (mandifia): Manisy dify na mamoritra ny loha lamba na tsihy...: Mahay mandify harona. Ahitsio
Mandihy: (dihy) mt.p. (mandihiza): Mampihetsika ny tongotra sy ny tanana miaraka amin'ny amponga sy ny zavamaneno mampientanentana: Faly loatra izy ka rafitra nandihy, ¶ M.h.: Mitsinjaka, mirebika, mitotorebika. Ahitsio
Mandika: (dika) mt.p. (mandikà): Mandalo na mihoatra avy eo ambony: Alohan'Anjiro kely dia mandika namana ny lalamby. 1 Miserana na mivikina eo anoloana na eo ambony: Aza mandika olona re, anaka 1 Tsy manaraka: Nandika ny baiko nomeko ianao. 1 Maka tahaka, mamindra soratra: Nijery ire to zaza miondrika mandika izay nosoratako teny amin'ny solaitrabe aho ka la-sa eritreritra lauitra • Mamadika amin'ny fitenim-pirenen-kafa na amin'ny fitenin'ny tena: Iza no handika ny tenin'io uahiny io fa tsy azonay izay lazainy? Mandikatra (dikatra) mt.p.: Mandingandingana raha ma nao zavatra ka misy hadino. Mandilana, Manadilana (dilana) mt. p.: Manisy dilana na keoka kely eo afovoany. Mandilatra (dilatra) mt.p.: Mahakasika kely foana, manolotra: Nandilatra ny sorony ny bala Ahitsio
Mandilotra: (dilotra) mt.p. (mandilora): Manakasoka: Mandilotra metaly mba han-dama azy. Ahitsio
Mandimby: (dimby) mt.p. (mandim basa): Mitan a ny toerana ka manohy ny asan' ny teo aloha ary mamelomaso azy: Ny zanaka lahimatoa no mazàna mandimby an-drain y. 1 Manolo, avy eo aoriana: Ny alina mandimby ny andro. Ahitsio
Mandina: Mandimandina p.t.: Malamalama ary toa mamirapiratra amin'ny fijery azy toy ny nohosorana menaka, tsy mangavoka, mangirana ohatra ny misy menaka: Mandimandin'ny tsemboka ny tarehiny. 1 h.o.: Miadana, sambatra, velom-pinaritra. ~ t.f.f.: Amandina, hamandinina, voamandina 1 manamandina, fanamandina, mpanamandina 1 anamandinana, fanamandlnana I mimandina, fimandina 1 mahamandina 1 mandimandina 1 hamandina, fahamandina 1 hamandinana, fahamandinana. ¶ M.h.: Mililotra, mihilotrilotra, mihilontrilona, mangilohilo, mangilatra, malaholaho, malandilandy, malambolambo, minendonendo, ma lamalama, mamirapiratra. Ahitsio
Mandinaka: (dinaka) mt. P. (mandinaha): Mamely, mandaboka, mikapoka, Ahitsio
Mandingana: (dingana) mt.p. (mandingàna): Mitsambikina avy eo amin'ny ilan'ny tatatra, rano, hady... iray ka miampita er? amin'ny ilany iray: Tsy afaka mandingantatatra ny vehivavy sasany amin'ny zipony tery loatra. 1 h.o.: Mamela, manadino: Nandingana andalan-tsoratra efatra ianao tamin'ny tsianjery tao. / Manitsaka: Tsy havelako handingana ny taniko intsony iny fa mpangalatra 1 Enti-misolony anarana hoe dingana amin'ny filazana ny refy: Impolo mandingana ny refin'it? trano it?. 1 Mihoatra (fefy): Zazakely io ve ho afaka handingana tamboho tsivikinindahy. Ahitsio
Mandinika: (dinika) nits. (mandiniha): Mamerina mitsako indray ny ahitra efa natelina: Ny omby dia anisan'ny biby mandinika Ahitsio
Mandinika: (dinika) mt.p. (mandiniha): Mamakafaka, mihevijavatra, mamadibadika, ma-ka ambony maka ambany: Mbola handinika aho aloha vao afaka hanapa-kevitra. 1 Mijery ela, manombantombana: Nandinika an'ilay zaza teo Rakoto no niditra Rabe. ¶ M. h.: Mihevitra, mieritreritra, misaina, maka saina, mitady ny antony, malts fototra, mamotopototra, mamakafaka, manadihady, mitaratara, mamadibadika, mamolavola, mandagjalanja, mitsako, mitsakotsako, maka ambony maka ambany. Ahitsio
Mandiny: (f it.-p.) mt.: Miandry, manantena. Ahitsio
Mandio: na Manadio (dio) mt p. (manadiova): Manala loto: Manadio tanàna. 1 Manala pentina: Mandio ny fanahy ny sakramenta sasany. - F.-p.: Manadio tena: mana la tsiny ny tena. Ahitsio
Mandisa: (disa) mt.p. (mandisà): Mihosy, manosy. / Mitoto vary. Ahitsio
Mandiso: (diso) mt.p. (mandisoa): Mahatonga hanao fahadisoana: Ny fitabataban'ireo ankizy ireo no nandiso ny marika nataoko. 1 Mahatonga ho tsy mahatratra (fotoana), mahatonga ho tsy mana tan teraka (fanan tenana): Nandiso fanantenana azy ilay zanany. Ahitsio